Sabotsy 1 mey 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14

Mampianatra antsika momba an’Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy. Nolazainy mazava tsara fa "Izy sy ny Ray dia iray ihany". Nagetaheta te hahafantatra ny Ray ireto apostoly, ka izay no antony nanambaran’i Jesoa azy mazava hoe efa nahita ny Ray ianareo, satria izay mahita zanaka dia mahita ny Ray koa. Izay ilay antsoina hoe : "Andriamanitra tokana olona telo" : ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, izay fototry ny finoantsika sy ny fiainantsika kristianina.

Sarotra ho antsika kristianina ny hahatakatra izany misterin’ny Trinite Masina izany raha tsy eo ny finoana. Ny finoana ihany mantsy no afaka hampifikitra antsika amin’ny tsiambaratelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra. Hany ka na dia ireto apostoly ireto, toa an-dry Filipo dia tsy nahatakatra ity misterin’ny Trinite Masina ity, satria mbola narefo ny finoany. Na dia niezaka aza i Jesoa nanazava taminy hoe : "Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko, na fara fakeliny minoa ahay noho ny asa ihany." Te hampafantatra an’i Filipo i Jesoa fa ny asa ataon’ny Zanaka dia asan’ny Ray ihany.

Maro amintsika no te hahita an’Andriamanitra, ka aoka mba tsy hijanona ho fanirina fotsiny izany fa hampirisika antsika handalina ny finoantsika. Ary hamafiso ny finoantsika an’Andriamanitra tokana olona telo, ka ny vavaka rehetra asandratsika na amin’ny Zanaka, na amin’ny Fanahy Masina dia miantefa amin’Andriamanitra Ray koa.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...