Alahady 7 marsa 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-25

Nohenointsika teo fa nandrara ireto vahoaka i Jesoa mba tsy hampiasa ny tempoly ho lasa toeram-pivarotana : “aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny raiko” (Jo 2, 16). Fantantsika fa teo amin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataon’i Jesoa, matetika Izy no nangoraka sy namindra fo mandrakariva ireo olona nifanerasera taminy : ohatra ireo mpanota niara-nisakafo taminy dia namindrany fo, maro ireo olona narary nitady fanasitranana taminy no nangorahany ka nositraniny. Androany indray kosa, nohenointsika teo fa tena sarotiny tamin’ireto olona nitady vola sy nivarotra tao an-tempoly Izy. Toa tsy namindrany fo ireto olona ireto fa norohasiny. Nahasarotiny azy ny tsy fanajana tranon’Andriamanitra.

Eto i Jesoa dia mampianatra antsika hahatsapa ny hasarobidin’izany fanajana ny tranon’Andriamanitra izany. Marihina fa ho an’i vahoaka Jody, ny tempoly no ivon’ny fiainan’izy reo. Ny varotra dia nilaina satria fidiram-bola nentina nanaovana adidy tao an-tempoly, handoavana ny hetra. Ireo biby dia namidy mba hahafana manao sorona. Ka i Jesoa eto dia tsy nanohitra velively fomban’izy ireo, fa sarotiny tamin’ny fomba nentin’izy ireo nampiasa tempoly ho lasa trano fivarotana, izay toerana hihaonana amin’Andriamanitra, tsy tokony tao anivon’ny tempoly fa tany ivelany.

Matetika ihany koa isika mbola manao ny fiangonana ho trano fivarotana, hita miseho amin’nyy fomba fivavatsika izany. Indraidray isika rehefa mivavaka dia tsy mitady ny sitrapon’Andriamanitra fa miandry fotsiny ny zavatra tiantsika omen’Andriamanitra antsika. Ny fontsika dia tempolin’Andriamanitra ka tsy tokony hampidirana ireo karazan-javatra mety mitondra mankany amin’ny fitiavan-tena, fialonana, hakamoana, ireo no manimba ny ao anatintsika, izay tempolin’Andriamanitra. Isaky ny mbola mitady tombontsoa ho an’ny tenantsika manokana isika dia manao ny fontsika, izay tempolin’Andriamanitra, ho toeram-pivarotana. Izao Karemy izao no tokony handinihantsika misimisy kokoa izany, ary hanaovantsika ezaka marina tokoa hanajantsika ny tempolin’Andriamanitra, dia tsy inona izany fa ny fontsika tsirairay avy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...