Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46

Mamporisika antsika handinika ireo fihetsika na fomba amaliantsika an’ilay fitiavan’Andriamanitra antsika.

Lazain’io fanoharana io, izay mahakasika ireo mpiasa tanim-boaloboka mpamono olona, fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Mikatsaka ny soa hatrany io fitiavan’Andriamanitra antsika io : nanankinany andraikitra hikarakara ny tanim-boalobony ireo mpamboly. Fa matanjaka kosa ny fitiavan’Andriamanitra antsika satria tsy miverin-dàlana amin’ny fitiavana Izy. Dia nalefany tokoa ireo iraka hanatona an’iretsy mpamboly. Mbola tsapa ny fisian’io karazam-pitiavana nasehon’Andriamanitra io ankehitriny indrindra ho an’ireo izay marisika amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny fampihavanana.

Indrisy anefa fa tsy mahay mamaly fitia an’Andriamanitra isika, vahoaka mafy hatoka ary mety mitovy sy sahala amin’iretsy mpamboly nivadika taminy mihitsy aza. Tsy te hihaino ny feony isika ary tsy te hampiditra Azy ao anatin’ny fo. Tsindraindray aza tsy avelatsika hanjaka amin’ny fiainantsika manontolo Izy fa faritra sasantsasany amintsika ihany. Andeha àry isika manomboka izao Karemy izao mba hahay mandray ny Tompo ao anatintsika ao ka mila aseho amin’alalan’ny atao sy ny lazaina avokoa moa izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...