Alakamisy 09 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22 — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.

0 : 00

Tsy kisendrasendra ny Tenin'Andriamanitra izay nambaran'i Kristy eto, fa efa fandaharana avy amin'Andriamanitra Ray sy Izy Kristy Zanaka, ary indrindra noho ny herin'ny Fanahy Masina. Miseho ampahibemaso eo amin'ny tany nahabe azy i Kristy, izay tsy nampoizin'ny mpiara-monina aminy. Nanana ny lazany sahady Izy eo am-panombohana ny asa nanirahan'Andriamanitra Ray azy. Ambaran'i Kristy ankarihary àry fa Izy tokoa no Ilay nohosoran'ny Ray hankahery ny torotoro fo, hitondra fahafahana ho an'izay voafatotra, indrindra fahiratana ho an'ny jamba.

Tsy mijanona ho soratra fotsiny intsony arak'i Izaia mpaminany izay voalaza izay, fa tena fisehoan'ny Kristy ampahibemaso mihitsy. Tsy hoe faminaniana intsony, fa tena asa mivaingana azo tsapain-tànana amin'ny fotoana ankehitriny. Toy ny volamena latsaka am-bovoka tokoa i Kristy ka tsy avelan'ny maha-izy azy tsy hamiratra. Tsy avelan'ny maha-Andriamanitra azy tsy hitory ny Vaovao Mahafaly. Tsy avelan'ny fahefany sy ny fahaizany tsy hamonjy ny olona. Tsy mety aminy izany hoe miandry fotoana na midonana-poana, fa vao mainka Izy miatrika ny asam-pamonjena.

Manome ohatra ho antsika i Kristy eto, tsy hisatry fanahy tokoa isika, indrindra indrindra ho mamay fo amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eny anivon'ny fiarah-monina eny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...