Talata 16 febroary 2021 — Herinandro fahenina mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 14-21
Fampitandremana mazava no ataon'i Jesoa ireo mpianany, mba tsy ho azon'ny lalivain'ny Farisianina sy ny lalivain'i Herôda. Lalivay : akora fampiasa mba hampitombo na hampibohoka ny lafarinina hanaovana ny mofo. Raha tsoahina avy amin'izay ny lalivain'ny Farisianina sy ny lalivain'i Herôda dia tsy inona akory fa ny fitiavam-boninahitra, ny fitiavan-tena, ny fihatsaram-belatsihy... Matoa i Jesoa mampitandrina mafy dia mora voajono amin'ireny ny olombelona, ary mirona amin'izany.
Ry havana, amin'izao vaninandro iainantsika izao koa, dia maro ny olona no mety ho azon'ireny lalivay ireny. Izany toetra izany anefa, no manakona ny tena maha isika antsika. Matetika ny avonavona no mirentirenty, fa ny fanetren-tena any ambany faladia. Ataoko fa miantefa amintsika koa ny fampitandremana nataon'i Jesoa, ankehitriny. Tian'Andriamanitra isika matoa hanariny, fa ny zanaka tiana, hono, tsy hitsitsiana rotsa-kazo ary ny hendry ihany no hanarina ; tsy te hanan-dratsy Andriamanitra.
Jesoa ô, ampio izahay hiaina marina amin'ny toetra maha kristianina : amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.