Alahady 05 janoary 2020 — Ny nisehoan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12 — Efa nahita ny kintana tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

0 : 00

Izao tontolo izao no irin'Andriamanitra ho Eglizy Fianakaviany. Roa ambin'ny folo andro lasa izao no nankalazantsika ny nahaterahan'i Kristy. Andriamanitra naka ny toetr'olombelona, nanaiky hiara-monina amin'ny madinika sy ny mpanota. Ity alahadin'ny Epifania na ny nisehoan'ny Tompo ity no anambaran'ny Vaovao Mahafaly amintsika fa tsy olom-bitsy na olona vaotokana no nahatongavan'i Kristy fa ny firenena rehetra eto ambany masoandro, eny fa na dia ny tsy mpino aza. Porofon'izany ireto Majy telo lahy.

Tsy mizaha tavan'olona tokoa Andriamanitra fa izao tontolo izao no iriny ho fianakaviany. Isika indraindray no saro-tiavina, miavonavona, manandra-tena tahaka an'i Herôda sy ny Lohaolon'ny Mpisorona ary ny Mpanora-dalàna. Vao nandre ny hoe "Aiza ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka" dia nanangam-bovona, nikoropaka eran'i Jerosalema. Dia toa izany koa ny olona zatra manararao-pahefana, zatra manjakazaka fa tsy mba mijery ny madinika. Toy ny saobakaka hoy ny fitenenana ka taitai-dava. Tsy nahatanty ny fifandimbiasam-pahefana ireo, vao naheno fotsiny ny hoe "mpanjaka" dia ny hiaro tena no ao an-dohany.

Tsy mba toa izany ny an'i Kristy, ny vahoaka no tompoiny: tsy tonga ho tompoina fa mba hanompo Izy. Ny mahantra no notiaviny mialoha, ny fandeferana no masaka ao an-tsainy ka izany no nanoroany hevitra an'ireto Majy tsy hiverina any amin'i Herôda fa làlan-kafa no hiverenana hody any amin'ny fonenany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...