Alatsinainy 28 desambra 2020 — Ireo zaza tsy manan-tsiny — Andriamanitra ô midera anao izahay; manambara fa Ianao no Tompo; ary mihoby anao ny antokon'ny martiry feno hadiovana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

0 : 00

Nambaran’ny Masindahy Matio teo fa talohan’ny tetika fandringanana ireo zaza tsy manan-tsiny, nataon’i Heroda, dia efa nandidy an’i Josefa, ray mpitaiza ny zanany Andriamanitra handositra any Egypta. Niaro ny zanany Andriamanitra, tsy tamin’ny fomba mahagaga manaitra ny maro anefa fa tamim-pilazana mialoha an’i Josefa tao anatin’ny fanginana, hahatanteraka ny tenin’ny mpaminany hoe : « nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako », sahala amin’i Israely niala tao Egypta ho any amin’ny tany nampanantenaina, tao amin’ny fanandevozana ho amin’ny fahafahana. Tsy olona ho afahana anefa eto i Kritsy fa ilay Mpanafaka satria Izy teraka no hanala antsika olombelona amin’ny zioga manavesatra.

Tsarovy mandrakariva fa tsy ny be saina na ny be sandry na izay heverina fa mahay indrindra, toa an-dry Heroda, no tompon’ny teny farany fa izay mahay mihaino sy mitoky amin’Andriamanitra sahala amin’i Masindahy Josefa. Tsy hisy olona na oviana na oviana hahova na hanao izay hisakanana ny lahatr’Andriamanitra sy ny famonjena tanterahiny.

Na dia izany àry anefa, dia misy foana ireo sorona, misolo vaika ny ankalana, miaritra ny mafy sy tsy rariny, vavolombelona ireny maneho ny fanoherantsika olombelona eo anatrehan’ny fandaharam-pamonjena ataon’Andriamanitra, kanefa ho avy ny fotoana fa tsy sitrak’Andriamanitra hijaly foana ny zanany. Ny fitiavana, ny voninahitra sy ny fahefana mahatonga fanilikilihina na famonoana ny hafa. I Kristy, tonga olombelona no hampianatra sy hizara amintsika ny fomban’Andriamanitra. Meteza àry, haka tahaka Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...