Zoma 18 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24 — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony.

0 : 00

Miara-mitodika manokana amin’i Masindahy Josefa isika androany. I Josefa ilay fofombadin’i Maria ilay ho Renin’ny Mpamonjy. Fa satria tokoa mantsy raha vao nahafatantra i Josefa fa nitoe-jaza i Maria vadiny dia nalaim-panahy ka nanana fikasana ny hametraka azy mangingina. Izay ilay toetran’olombelona tao amin’i Josefa. Tsongoy fon’olona tsongy fon-tena, fa izay tokoa moa raha misy raim-pianankaviana toa an’i Josefa no tsy mba mety nalaim-panahy toy izany, raha amin’ny maha olombelona tsotra izao, raha toa ka ny vady andefimandry no fantatra hoe mitoe-jaza anefa ny tompom-bady aza tsy mahafantatra na inona na inona.

Soa ihany fa ny lahatr’Andriaminitra no mandrindra ny fiainantsika olombelona satria ny fihevitrareo tsy mba fihevitro hoy Izy. Hany ka raha vao nanazava ny conscience-n’i Josefa ny Anjely dia nazavain’ny Fanahy Masina i Josefa ka naneho ny maha-raim-pianakaviana olon-kendry azy :

  • olon-kendry izy satria lehilahy nanàna finoana lalim-paka. Tena azo lazaina hoe raintsika amin’ny finoana toa an’i Abrahama i Josefa. Nahay nihaino izay nampilazan’ny Tompo taminy. Ohatra velona tokony halaintsika tahaka i Josefa eo amin’ny fananana finoana tsotra amin’ny fahaiza-mandray sy mihaino ny Tenin’Andriamanitra ;
  • olon-kendry i Josefa satria lehilahy tsotra. Tsy mba nisalasala kely akory rehefa resy lahatra tamin’ny alalan’ny voalazan’ny anjelin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fahaizan’i Josefa miara-miasa amim-pahanginana no nanatanterahan’Andriamanitra teto an-tany ny ampahany lehibe amin’ny tantaran’ny famonjena antsika ;
  • olon-kendry i Josefa satria lehilahy nahay nanaiky. Nanatanteraka izay nandidian’ny anjely azy izy ka nampakatra an’i Maria ho vadiny. Fanekena feno fanetren-tena no nananany. Tena hoe lehilahy fatra-piatrika ny fiainana sy tia fanginana. Izany hoe mpanompo manetritena tsy mba be kabary ;
  • olon-kendry i Josefa satria lehilahy Masina. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra mba hahatanteraka ny famonjena. Nahafoy tena manontolo mba hidiran’ny soa ho an’ny hafa. Olona lalim-panahy izy ka nanaiky ho ray mendrika ho an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra.

Ary ianao koa, ry Josefa masina, Patriarka be voninahitra, mba tahio amin’ny fiarovanao mahery izahay, ary atero eo am-pelatanan’i Maria ny vavakay, hatolony an’i Jesoa Kristy. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...