Alakamisy 17 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 1-17 — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.

0 : 00

Raha ny Evanjely naroso tamintsika mianakavy teo no hifampizarana dia toe-javatra telo no azo sintonina : voalohany, henontsika teo ny filazana ny tantaran’ireo nipoirana, kitapo nifonosana, fitantarana ireo tetiarana isan’ambaratongany. Raha atao indray mikapoka dia toa mampahatsiahy antsika amin’ilay foto-kevitra nifantohan’ny Eglizy tamin’ny Alahady faha-27 mandavan-taona taona B hoe : hay isika rehetra izao, miaraka amin’ireo razam-be, ray aman-dreny ara-pinoana ireo, toy ny ladim-boatavo ka raha savasavana ny raviny dia iray ihany ny fotony, dia Andriamanitra izany.

Faharoa, midika ihany koa anefa fa tena tsy anganongano na arirarira ny fahatongavan’i Jesoa, ary tena naterak’olombelona fa tsy natao. Tena entin’Andriamanitra hanaporofoana amin’izay tsy mino fa nanao dingana goavana hiara-miaina amintsika olombelona Andriamanitra ; ka tsy nilatsaka avy any an-danitra fa tena nirotsaka naka sy niaina ny fomban’olombelona.

Fahatelo, azo lazaina àry, fa ireo taranaka efatra ambin’ny folo in-telo miantaona nifanesy voalaza tao amin’ny Evanjely androany dia tsy hoe akory razana niandohan’i Jesoa irery fa azo ambara ihany koa fa razana niandohan’ny taranaka faramandimby ka anisan’izany isika mianakavy satria isika efa mpiray tampo tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny Batemy.

Ianao ry Andriamanitra, no mandahatra ny zavatra rehetra araka ny sitraponao ka noho ireo razam-be ara-pinoana izay namelomaso nanohy ny asam-pahariana natombokao, dia enga anie izahay hahatsapa ny misterim-panavotanao anay. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...