Sabotsy 14 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Ry kristianina havana ! Nambara tamintsika omaly teto ny tsy maintsy hivononantsika ary hahamalina antsika ny amin’ny farany. Naseho tamin’ny endriky ny afo, ny rano, ny loza maro moa izany, izay mazàna miteraka tebiteby sy ahiahy na fanaintainana ho antsika. Omen’i Jesoa antsika androany àry, ny zavatra anisan’ny tokony ataontsika manoloana izay tebiteby sy tahotra aman’ahiahy izay. Tsy mijanona amin’izay fampiomanana mampatahotra izay fotsiny i Jesoa fa manome vahaolana tokony ataontsika. Tsy inona izany fa ny mivavaka, mivavaka tsy tapaka ary tsy kivy manaoloana izany vavaka izany, mangataka ny indrafon’Andriamanitra. Izany no navoitrany tamin’ny fanoharana teo. Manankarena amin’izany indrafo izany Andriamanitra fa na izany aza mila ny dingana avy amintsika izany. Izay manao lemozy no mahazo azy : izay ilay ambaran’i Jesoa hoe azo amin-kery ny fanjakan’ny lanitra.
Fanontanina mipetraka tokoa manko matetika ny hoe rahoviana marina, mbola ho ela ve izany fotoana fitsarana farany izany (Apok 6, 10). Mety ho amin’ny androko na ny andronao ve ? Mitohy sy mitombo ary miroso hatrany moa ny génération. Izaho ve mbola haharitra amin’io finoana ananako io ? eo anatrehan’ny firehan-kevitra maro isan-karazany misy sy miseho ankehitriny ary ireo zava-mitranga maro, voatanako ve ny finoako, ianako ve ny foto-pinoana niorenako hatramin’ny nandraisako ny batemy ? Fanontaniana maro toy izany no mibosesika ao anatintsika ao ankehitriny. Ny an’i Jesoa moa teo dia hoe : “Amin’ny andro iverenan’ny Zanak’olona, mbola hisy finoana ve ety an-tany ?” Miantefa amintsika rehetra izany fanontaniana izany ary mitaky ny ezaka avy amintsika.
Fitaovana mahomby entintsika mamelona mandrakariva an’io finoana io àry ny vavaka izay asain’i Jesoa ataontsika tsy tapaka ary tsy mahazo kivy. Fitaovana entintsika manatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra io vavaka io satria hahazo rariny isika raha maharitra mangataka ny fahasoavany sy ny famindram-pony. Ao amin’ny vavaka no fotoana hihaonantsika Aminy, hamborahantsika Aminy ny fiainantsika manontolo, ary hikolokolony izany fiainantsika izany am-pitiavana. Ilay Mpitsara tsy marina aza eto nanome rariny ny farany na dia tsy vokatry ny fitiavana aza. Mainka fa ny Raintsika izay tompon’ny fahamarinana sady mpanjakan’ny fitiavana mijery sy mihaino antsika tsy mitanila. Alao hery àry, ary mazotoa mivavaka mandrakariva mitsinjo ny farany.