Alahady 18 ôktôbra 2020 — Alahady faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 15-21 — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

0 : 00

Fombantsika olombelona mihitsy ity mifamandripandrika ity, sady tsy manavaka olona io ; eto izao dia ny Farisianina mihitsy no namandrika an’i Jesoa. Saingy toa mpijoko voajoko, mpamandrika ho voafandrika ihany, izy ireo amin’izany. Isika koa mety ho tratran’izany raha mbola mifamandripandrika foana. Aza ny ratsy ho an’ny hafa re no mahamaika antsika fa ny soa ho azy, sady mety tsy ho fantantsika akory hoe iza marina ity olona fandrihana ity. Eto izao, olombelona no mamandrika an’Andriamanitra. Isika koa rehefa kamo mivavaka, na noho ny sakramenta fotsiny, na noho ranona sy ranona, na noho ireo kajikajy maro isan-karazany ihany no handehanana mivavaka dia toa mamandrika an’Andriamanitra sy mamandrika tena ihany. Tsarovy mandrakariva fa zanaka tiany isika eo anatrehan’Izy Ray Andriamanitra ka tsy tokony hifamandrimpandrika izany.

Fanampin’izany, mpihatsaravelatsihy izay mifamandripandrika ka miaina ny “mody hoe”, kanefa tsy izany akory, mody tsara eo imaso fa vandana ivoho. Novakian’i Jesoa bantsilana ireto mody nanontany, hamandrihany Azy, hany ka niala maina, ginagina tery ! Mihanjahanja sy miharihary eo anatrehan’Andriamanitra ny ataontsika sy izay any am-po tsy miloaka any fa asakasantsika zatra manafina Aminy. Tsy misorona i Jesoa rehefa misy tsy mety fa manitsy sy mananatra mandrakariva. Adidy amin’ny maha iraka izany ka tsara alain-tahaka, indrindra amin’izao andro maneran-tany ivavahana ho an’ny Misiona izao, na ny maha iraka izany. Samy irahina isika noho ny batemintsika ka aza mitelin-kafatra na sarotra irahina na manodikodin-kafatra fa aoka ho iraka mahatoky, ny mahatafita hafatra no tanjona. Izany hoe tena miaina ny batemintsika.

Manaraka izany, eo anivon’ny fiaraha-monina isika kristianina fa tsy olon-kafa tsy akory ka olona isika aloha vao kristianina. Noho izany, tsy maintsy atao ny adidy maha olona eo amin’ny fiaraha-monina fa tsy atao latsa-danja amin’izany ny maha kristianina, tsy misy azo avela. Adidin’ny iraka ihany koa izany. Tsarovy fa satrin’ny mpaniraka ny ho lasa lavitra ny irahina fa tian’ny irahina koa anefa ny tsy hihetsika eo izy kanefa tafita ihany ny iraka. Koa tsy olombelona no maniraka antsika eto fa Izy Andriamanitra, amin’ny maha zanany antsika, koa ifanentana hatrany isika amin’izany fa adidy iaraha-manana. Aoka tsy hiroa fo isika na hikemo amin’ny manahirana manefa izany adidintsika izany satria tsy mora. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...