Zoma 18 septambra 2020 — Herinandro faha-24 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3 — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

0 : 00

Tsy nisatry fanahy sy tsy nitarain-tana-miempaka tokoa i Jesoa nitety ny tanana sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra ; izay no anton-diany teto an-tany, mba hamonjena ny olombelona sy izao tontolo izao. Tsy mba nampianatra na nitory afa-tsy izay tsara tao aminy Izy ka naharesy lahatra ireo roa ambin'ny folo lahy, sy ny vehivavy sasany, hanaraka Azy. Tsy misy tokoa mpampianatra ka tsy hanao izay haharesy lahatra ny mpianany momba izay ampianariny, fa raha tsy izany dia mampametra-panontaniana ihany ny momba azy. Efa nofidian'i Kristy ihany koa mantsy izy roa ambin'ny folo lahy ireo ka mazava ho azy raha manaraka Azy, ary fomba fiasan'Andriamanitra hatrany am-piandohana ny mifidy olona hiara-miasa aminy.

Mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fitoriana ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra izany, eny fa na dia tsy i Kristy mivantana aza no manatanteraka azy ; mbola mifidy olona sy maniraka azy ireo i Kristy, hitety ny tanana sy ny vohitra. Sarotra anefa ny asa miandry noho ny zava-misy sy ny kolontsaina tsy mitovy, koa mila tohana avy amintsika rehetra izy ireny, na ara-bavaka, na ara-kevitra, eny fa na ara-pitaovana koa aza, koa angataho i Kristy ilay arahiny mba hitari-dalana azy mandrakariva.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...