Talata 15 septambra 2020 — Masina Maria vonton'alahelo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 25-27 — Sambatra ianao ry Maria Virjiny, ilay nandray ny fandresen'ny Martiry teo ambany Hazofijalian'ny Tompo tsy nisy fahafatesana.

0 : 00

Tsy misaraka amin'ny tantaram-pamonjena antsika olombelona ny fijalian'i Masina Maria, hatramin'ny nitondrany am-bohoka an'i Kristy ka hatreo am-pototry ny hazofijaliana namantsihana an'i Kristy. Efa nambaran'i Simeona taminy izany raha nitondra an'i Kristy atolotra tao an-tempoly izy, manao hoe : "Indro ity Zaza ity fa ho fandavoana sy ho fanarenana ny maro amin'i Israely, ary ho famantarana ifanoherana, ka ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra, mba hisehoan'ny hevitra ao am-pon'ny olona rehetra" (Lk. 2, 33-35). Niatrika sedram-piainana mafy tokoa raha i Masina Maria noho ny sitrapon'Andriamanitra sy noho ny fitiavany antsika. Tsy toy ny fijalian'ny reny rehetra fa hafa araka izao tononkalo ao amin'ny Sorona Masina andavanandro izao : "Ndre mijoro... Izay tena sitrako". Nijaly sy vonton'alahelo tokoa i Masina Maria nahita ny fahorian-janany, noleferiny anefa izany noho ny fitiavany antsika, koa akambano aminy ihany koa ny alahelontsika, mibanjina ny fijalian'i Kristy noho ny fahotantsika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...