Alatsinainy 14 septambra 2020 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17 — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao.

0 : 00

Araka izay Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Joany nohenointsika teo izay àry, dia mankalaza ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Fiangonana anio, izay hazo nitondra ny famonjena ny besinimaro noho i Kristy nanaiky nofantsihana teo aminy. Fanehoana ny fara-fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny namoizan'i Kristy ny ainy teo amin'ny Hazofijaliana : "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy". Avy amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny zavatra rehetra, izany no manaporofo fa Fitiavana Andriamanitra, ary ny Hazofijalain'i Kristy no manamarika izany. Ny faniriana tokan'Andriamanitra, ny tarigetram-piainany manokana dia ny hamonjena izao tontolo izao. Ny nanandratana an'i Kristy teo amin'ny Hazofijaliana no fahatanterahan'ny asam-pamonjena, fibaribarian'ny Fitiavany teo imason'izao tontolo izao. Raha heverina amin'ny maha Mpanjaka an'i Kristy dia ny Hazofijaliana ny Azy no seza fiandrianany : Fiandrianam-pitiavana, Fiandrianam-pamonjena, Fiandrianam-panompoana, Fiandrianam-panetren-tena.

Isan'andro isika dia manao ny famantarana ny Hazofijaliana, tsy fombafomba fotsiny ireny na ataotao foana fa misy dikany tokoa, koa ataovy amim-panajana sy amim-pitiavana ary amim-po manenina àry izy iny mba hanomezana voninahitra an'i Kristy, Ilay nasandratra mba hananantsika ny famonjena sy ny fitsanganan-ko velona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...