Sabotsy 12 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49 — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Araka ny efa voalazantsika omaly dia amin’ny alalan’ny hazo (aviavy sy voarohitsilo) sy ny trano no itondran’i Jesoa fampianarana hanitsiantsika ny fiainantsika araka ny Evanjely androany. Mbola mijanona hatrany ao amin’ny toko faha-6 amin’i Evanjelin’i Masindahy Lioka moa isika amin’izany. Ambaran’i Jesoa fa hamarinin’ny teniny sy ny asany ny ao anatin’ny olona : “Izay be ao am-po no avoakan’ny vava”. Ny fitenintsika kosa mazana maneho mahakasika ity tapany voalohany amin’ny Evanjely ity, momba ny aviavy sy ny voaloboka ary ny voarohitsilo io hoe “arakara-tarehy voan-javatra”. Aoka hifanaraka mandrakariva amin’ny endrika ety ivelany ny ao anatintsika ao sy ny zavatra ataontsika fa tsy sanatria tonga amin’ilay fitenintsika ihany hoe “saka manafin-koho”. Toetra ratsy izany ary izany mihitsy no toetran’ny mpihatsaravelatsihy. Indraindray mamitaka ny endrika ivelany ka tokony hampifanarahantsika mandrakariva.

Ny tapany faharoa amin’ity Evanjely ity dia itondran’i Jesoa amintsika fampieritreretana momba io fiainantsika mikidoana fotsiny io fa tsy tena mifantoka. Anisan’izany ny fandraisantsika ny teniny na ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainantsika azy ary ny fampiharantsika azy eo amin’ny fiainana. Anisan’ny tandremana izany indrindra amin’izao mbola anaty fihibohana izao satria any an-trano any daholo no atao izay vavaka rehetra anentanan’ny Eglizy antsika atao. Tena mifantoka ve isika sa endrika ivelany fotsiny no iantsoana hoe “Tompoko, Tompoko” ? Toy izany koa ny fandraisana ny fampianarana rehetra indrindra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toa resy lahatra tokoa ny sasany hoe tena tsara iny fampianaran’i mompera na monsenara Ranona iny ; tena nahazo aim-panahy izahay ary hisaorana ireo izay mifampizara izany any anaty seraseram-pifandraisana any ; fa tena latsaka ao anatintsika tokoa ve ilay fampianarana ary iainantsika sy ampiharintsika eo amin’ny fiainana ? Tena manova antsika amin’ireo fahazaran-dratsy mpahazo antsika ve ? Ny an’ny mpampita moa vita ny adidiny fa ho antsika manao ahoana ny tena fandraisana azy ? Io no ampitandreman’i Jesoa antsika hoe trano miorina ambony vatolampy na ambony tora-pasika. Miorena amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana ary ataovy lasa fiainantsika izany fa izany no trano tsara orina ambony vatolampy : mafy, mateza ary maharitra mandrakizay.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...