Sabotsy 29 aogositra 2020 — Herinandro faha-21 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30 — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

0 : 00

Inona marina no atao hoe mpanompo mahatoky araka ity Evanjely ity ?

Tsy ny hoe mivonona na mitondra tena tsara dia ampy ilazana fa mpanompo mahatoky, fa antitranterin’ny Evanjely anio ny tsy maintsy hampamokarana ireo talenta nomena anao ary koa ny fahatsapana ny maha zava-dehibe izany. Ka ambara mazava miainga amin’ity Evanjely ity fa tsy fiainana mikombona, itadiavana tany malemy hanorenam-pangady ny fiandrasan’ny kristianina an’i Kristy, fa fiainana mifono risika, firotsahana tanteraka amin’ny fiainam-pinoana tsy isalasalàna amin’izay mety hanjo fa vonon-kiroso hatrany na inon-kidona na inon-kihatra. Tsy ampy ny mivavaka fa tsy maintsy mirotsaka manompo an’Andriamanitra ao amin’ny hafa, ao amin’ireo noana, ireo marary, ireo migadra.

Araka izany ny kristianina mandevin-talenta dia ny kristianina kamo, manakimpy ny masony eo amin’ny fahorian’ny hafa, Tokony ho tsapantsika fa ny kristianina tsy natao ho an’ny tenany fa natao ho an’ny hafa. Natao hampamokatra ny fanomezam-pahasoavana ao aminy amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Aoka isika tsy ho mpanompo ratsy sady kamo fa kristianina mamokatra hatsaram-panahy sy fitiavana amin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitra.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...