Alatsinainy 15 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny Vavanao.

0 : 00

Manjaka ao amin’ny olombelona ny valifaty sady toa tsy mahazo aina raha tsy tanteraka izany valifaty izany matetika, ka izay hahavoa mafy ny hafa no mahamaika sy kendrena, izay nanao ratsy tsy maintsy valiana ratsy. Tsy mahagaga izany fa efa ela no nisian’izany : voalaza ao amin’ny lalàn’i Moizy, ohatra, ny maso efai-maso, nify efai-nify (Eks 21, 24 ; Lev 24, 20 ; Det 19, 21). Izay mijanona sy miaina izany anefa tsarovy fa mbola tavela sy taraiky any amin’ny Testamenta Taloha, kanefa efa tonga i Jesoa nahatonga ny Tesatementa Vaovao. Ka izay mandray Azy ihany no mihavao ao Aminy. Diniho anie ny fanitsian’i Jesoa azy e : “Efa voalaza hoe… Fa Izaho kosa milaza hoe !”. Raisin’i Jesoa ny taloha fa tsy foanany ka ahitsiny sy ataony lavorary kokoa mba hihavao. Tsy tiany hijanona amin’ny tranainy mantsy isika fa tiany hihavao mandrakariva ao Aminy.

Mandeha tsikelikely ny fitantanan’Andriamanitra ny vahoakany sy anehoany fitiavana azy. Koa izay mijanona amin’ny valifaty dia tsy mifanaraka amin’izao vaninandro iainantsika izao intsony. Raha tsorina dia ratsy ny valifaty. Izay manao ratsy mantsy : raha tsy malazon’ny andro, mantsasaky ny alina ; toa mandrora mitsilany koa ka mahavoa tena ; ny manao ratsy koa matetika enjehin’ny ataony fa ny manao soa kosa tsy mahafaty antoka mihitsy. Aoka tsy ny ratsy no avaly ny ratsy fa reseo amin’ny soa ny ratsy. Efa nampianarin’i Jesoa antsika izany raha namela heloka ny namono Azy Izy teo amin’ny hazofijaliana. Diniho koa anie ireny ratsy ataontsika amin’Andriamanitra ireny : kanefa ny famindram-po no avaliny an’ireny rehefa miverina Aminy isika. Fisehoan’ny fitiavany izany. Fa raha Izy Andriamanitra tokoa no mamaly ratsy antsika dia efa ho nanao ahona re isika e ? Efa tsy hay hambara intsony fa loza, loza, loza ! Aza misy anie izany ! Soa fa tsy misy ratsy na kely aza ao amin’Andriamanitra ka izany koa no tiany iainantsika zanany tiany. Dia aza misain-dratsy, na manao ratsy na mikendry ratsy na amin’ny tena na amin’ny hafa. Aza ny soa ho an’ny tena ihany no kendrena fa ny soa ho an’ny hafa ihany koa ; izany no fanatsarana sy fandavorariana ny valifaty voalaza tao amin’ny Testamenta Taloha.

Marina tokoa fa tsy mora izany kanefa tsy maintsy izoran’ireo mpanara-dia Azy Kristy, ireo tonga zandriny sy rantsam-batany tamin’ny batemy ; izany hoe : ny kristianina, na ny olon-drehetra mihitsy aza e ! Satria samy tiany isika rehetra tsy ankanavaka. Diniho tokoa fa raha ny valifaty no ampanjakaina dia ho nanao ahoana ny fiainantsika? Moa tsy fahapotehana sy faharavana ary fahavoazana tsy hita noanoa no teto an-tany ! Tsy efa fisantarana ny afo be eto an-tany va izany ? Ny lanitra anefa no anjara lovantsika raha manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra isika fa tsy ny afobe. Koa alaviro ny ratsy, ny fanaovana valifaty ; fa miezaha hamaly soa ny ratsy, ka ho tonga hatramin’ny fanaovan-tsoa azy, fizarana fitiavana aminy. Ho vitantsika izany raha tena mibanjina Azy Kristy isika. Ka ho to amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...