Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".
Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.
Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco