17 avrily 2025 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

Fahatsiarovana ny fanasan’i Tompo : vatako ity, ràko ity raiso ary hano fa hatolotro anareo. Alakamisy masina no hankalazana ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany, tao daholo izy roa ambin’ny folo lahy. Ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy nanao Sorona ny ainy teo amin’ny lakroa. Ny rà nalatsany no mahavonjy an’izay mino azy. Ny vatana aman-dRàny no natolony ho fanadioavana sy ho fanavotana ny be sy ny maro. Tsy hoe fahatsiarovana azy fotsiny ny antsika fa tena miova vatana sy Ràny ny mofo sy ny divay rehefa nohamasinina, ny Fanahy Masina no nanova azy ho Sakramenta Masina, vatsy masina, sakafom-panahy, Mofo velona. Mampahatsiahy antsika kosa i Masindahy Paoly fa tamin’ny alina namadihana azy dia nandray ny mofo sy divay i Jesoa, nisaotra, nozarainy ary natolony ny mpianany io ny Eokaristia tandindon’ny fanolorany ny tenany halatsa-drà teo amin’ny hazofijaliana.

I Jesoa Kristy no Zanak’ondry manala ny fahotana, sakafo mahavelona. Mitondra hafaliana sy famonjena ho antsika amin’io no nanorenana ny fanekem-pihavanana vaovao maharitra mandrakizay. Miresaka momba ny fanasana tongotra ihany koa ny Evanjely. I Jesoa Kristy Tompo sy ny mpampianatra no manome ohatra velona, modely ary manompo ny hafa fa tiany isika mba hahay hifanompo. Ny Eokaristia dia sakafon’olona vonona hiasa, vonona handeha. Manaiky iarahina hitory ny Evanjely, sakafon’ny mpianakavy mifankatia, miombona mifanampy, mifanompo. Ny lamesa na ny Eokaristia no vavaka faratampony ho antsika kristianina.

Alakamisy Masina no andro voalohany amin’ny “Tridium Pascal”. Nanorina ny Sakramentan’ny Eokaristia sy ny filaharana. Dia ny fanompoana tamin’izy nanasa ny tongotry ny mpianany. Jn 13,1-15. I Masindahy Joany dia tsy mba nitantara loatra ny fihetsika nataon’i Jesoa tamin’ny namoronana ny Eokaristia tamin’ny sakafo farany fa nanindry bebe kokoa momba ny Eokaristia sy ny Lakroa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...