14 avrily 2025 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)
Sarotra ny milaza izay tena hevitry ny fitantarana. Samy hafa daholo manko ny antsipirian’ny fitantaran’i Masindahy Matio sy i Marka milaza fa tao amin’ny Simona ilay boka, roa andro alohan’ny Paka (Mt 26, 2), ao amin’i Joany tao amin’i Maria sy i Marta, ao amin’ny Lioka 7 kosa tao an-tranony Farisianina, mitohy manokana any amin’ireo olona roa lehibe niaina ny fiangonan’i Joany ny saina.
Ny fankalaza ny olomasina sy ny fanandaniam-bola amam-panaingoana zava-masina i Joany manko nilaza fa tsy tompon-trano fa mpiara-misakafo i Lazara, ary ny sakafo hariva no natao, nanaovana nahandro moa ny dikan-teny ao fa ampiasain’i Joany hilazana ny sakafo farany sy ny fanasana any amin’ny fanjakan’ny lanitra ihany. Araka an’i Matio sy i Marka dia ny lohan’i Jesoa no nohosorana diloilo. Ho an’i Joany sy i Lioka, kosa dia ny tongony. Ny zavatra hitovizana dia ny hoe karaman’ny mpiasa herintaona no lany tamin’izany fanosorana izany. Ny olona natsangan’i Kristy ho velona no miara-miasakafo amin’ny Fiangonana. Ny mandany vola amin’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona dia zavatra tsara ao amin’i Mt 26, 10 satria ny mahantra dia hisy mandrakariva eo amintsika, ny mandany vola ahatsiarovana fa maty ho antsika izy dia manampy antsika ho faty koa ahaveloman’ny mahantra izay hisy mandrakariva. Tsara ho marihaana tokoa fa ny alahelon’i Jodasy tamin’ny fidiran-bola (karama herintaona) denie 30 vidin’ny andevo.
Vavaky ny tononkira fiderana Salamo 34, 1-2 sy ny Salamo 39, 8 dia “Hiadio ny Tompo izay miady amiko asio izay hamely Ahy raiso ny lefona sy ny ampinga, mitsangana hamonjy ahy ny Tompo Andriamanitra. Raha tsy azo ny tiany ho lazaina dia tsy ny hoe Andriamanitra indray no atao fitaovana handringanana ny hafa. Tsy ny mpanao ratsy izay efa andevozin’ny ratsy akory no angatahana haringan’Andriamanitra fa ny fahavalo farany ho resena dia ny fahafatesana. Vokatry ny fahotana hoy i Masindahy Paoly ao amin’ny 1 Kor. 15, 12 tsy ny ahafaty ny ratsy fanahy no sitrak’Andriamanitra fa ny hibebahany ka ahavonjy azy (Ezek 33, 11, Mt 9, 13). Ary izany no anirahany ny mpanompo rehetra nofidiany. Ho vavolombelon’ny fitiavana marina tokoa anie isika ka na mora lavo aza hitoky amin’ny herin’ny fijalian’i Jesoa Kristy.