7 avrily 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 12-20)
Ry mpihaino hajaina, efa hamarana sahady ny Karemy isika amin’ity herinandro ity. Hamafisin’ny Soratra Masina anio ary fa i Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao ary izay manaraka Azy dia tsy mandeha amin’ny maizina fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Hitantsika fa ny Farisianina dia tsy nino izany. Hoy izy ireo: “Manambara tena Ianao ka tsy marina ny fanambaranao”. Ho anao, ho ahy, ho antsika mianakavy, sanatria ve isika koa mbola ao anatin’izany fisalasalana izany. Tsy mino fa i Kristy ilay fahazavana, ilay nirahan’ny Ray. Inona ary no ho fiantraikan’izany tsy finoana Azy izany?
Tsy takona afenina amintsika intsony ny vokatry ny fahamaizinana, raha tsy hiteny isika momba ny fahatapahan-jiro na ny delestage. Iza moa no tsy mimenomenona ny momba izany? Ilaintsika ny herinaratra mitondra fahazavana satria fantantsika ny akony rahefa tsy misy izy eo amin’ny fiainantsika. Manjaka ny asan-jiolahy, voafetra ny faharetan’ny asa tsy afaka miasa mandritra ny alina raha toa misy asa tsy maintsy atao. I Jesoa nitomany an’i Jerosalema, hoy Izy: raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza. Fa takona ny masonao izany ankehitriny (Lk 19, 41-42). Tebiteby, tsy fiadanana no fiantraikan’ny tsy fananana ny fahazavana, tsy fananana an’i Jesoa.
Tena ilaintsika ny fahazavana fa noho ny tsy fahalalantsika dia tsy mandray azy isika. Hoy ny Soratra Masina: “Tonga amin’izao tontolo ny fahazavana fa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana satria ratsy ny asany” (Jo 19). Ho an’izay mpanao ratsy amin’ny haizina dia naleony mijanona amin’ny haizina satria hanelingelina azy ny fahazavana. Indrisy, firifiry eo amin’ny fiaraha-monina no mitoetra amin’ny haizina ka mitondra fahoriana sy fijaliana ho an’ny hafa. Mampijaly ny fiaraha-monina ny tsy fiainana an’i Kristy. Ny kolikoly hita etsy sy eroa amin’ny birao maro samihafa ohatra dia tsy mitondra fiadanana. Mitondra faisana ny tsy manao izany, vokany hampifilafilaina sy averina matetika any amin’ny birao ny tsy manao izany. Raha tsy mametraka kely tsy mihetsika ny antontan-taratasy, tsy mivoaka ny fanomezan-dalana. Lany ny fotoana miandry izay sitrapon’ny tompon’andraikitra. Mitondra fahorina no sady tsy mitondra fandrosoana ho an’ny fiaraha-monina izany. Hifarana ny Karemy fa asa isika na mbola mitoetra amin’ny haizina. Ilaintsika àry ny Eglizy, fahazavana mampianatra sy mitari-dalana antsika ankehitriny Izy. Ho antsika mpivahiny dia fitaovana iray tsy maintsy ilaina ny jiro, ny fahazavana raha handeha hivahiny.
Isika nandray ny batemy dia fahazavana eo amin’izao tontolo izao. Ilain’ny fiaraha-monina isika satria fanasina sy fahazavana ary mitondra fanantenana. Alao hery àry fa izay ao amin’i Kristy dia tsy mandeha amin’ny haizina fa tonga fahazavana ho an’ny hafa.
Ry Ray ô, tsy handraraka ilo mby an-doha anie izahay fa ho fahazavana araka ny fanirianao. Amen.