1 janoary 2025 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)

Vaovao ny taona ary vao miantomboka dia i Masina Maria Renin’Andriamanitra no ankalazaina. Satria i Jesoa-Kristy Ilay hanova ny endriky ny tany ho vaovao sy hanova ny fiainantsika ho vaovao miaraka amin’ny taona vaovao dia naterak’i Masina Maria. Ny vavolombelona nanatri-maso an’i Masina Maria tera-bao tamin’izany fotoana dia ny mpiandry ondry, izay nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely. Maneho amintsika izany fa ireo madinika tsy manana fanantenana no hanehoan’Andriamanitra voalohany ny voninahiny sy ny hatsaram-pony. Andriamanitra tonga olombelona i Jesoa-Kristy. Fa sady tena Andriamanitra no tena olombelona i Jesoa-Kristy naterak’i Masina Maria. Tsy nanary ny maha-Andriamanitra Azy ny nahatongavany ho nofo tao amin’i Masina Maria. Noho izany, Renin’Andriamanitra i Masina Maria. Foto-pinoantsika izany. Ary nanambara izany ny Papa Célestin Voalohany tamin’ny taonjato faha-5, tamin’ny Kônsily tany Efezy.

Renin’Andriamanitra i Masina Maria, izay no anarana iantsoana azy voalohany. Fa anarana iantsoana azy faharoa ihany koa ny hoe Mpanjakavavin’ny Fiadanana. Dia eo no mampametra-panontaniana hoe: fa angaha moa i Masina Maria niadana no antsoina an’izany izy? Rehefa dinihana aza ny fiainana niainany toa feno fijaliana foana. Feno fijaliana satria vao nilazàna an’i Jesoa ho tonga nofo dia efa tsy fantany. Fahoriantsaina ny mieritreritra an’izany; satria tsy moramora ny miteraka sy ny ho reny. Mbola tsy vita mariazy indray dia efa bevohoka. Ahoana raha voatora-bato amin’izany araka ny lalàna jody? Teraka an’i Jesoa avy eo, sady alina no tsy misy trano ary any an-tranon’omby no hiafarany. Tsy mba nisy reny na rafozana na iray tampo na zaobavy akory nampifana fa dia ny omby sy ny ondry ary ny apondra no mpampifana. Nisy nitady hamono indray ny zaza; mbola alina dia efa tsy maintsy nifoha nitondra Azy handositra tany Ejipta sy nitondra Azy niverina avy any. Vao mba hary saina dia very Ilay zaza; ka dian-tongotra be indray avy eo no nitadiavana Azy. Ary mbola mahazo teny henjana mampandinika koa etsy andaniny: “Fa tsy fantatrao angaha fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?”. Hatramin’ny mangidy indrindra no nihatra taminy; dia ny fahitana ny zanany ampijalian’ny olona eo amin’ny hazofijaliana sy ny nandevenany an-janany. Izany anefa no tena fahoriana faran’izay mafy indrindra amintsika Malagasy. Araka izany, fahoriana sy fijaliana foana no niainan’i Masina Maria nefa antsoina hoe Mpanjakavavin’ny Fiadanana izy. Tsy mifanohitra ve izany? Tsia! Tsy mifanohitra fa tena Mpanjakavavin’ny fiadanana tokoa izy. Satria izy no nitondra sy nanabe Ilay Tompon’ny fiadanana, dia i Jesoa-Kristy. I Jesoa-Kristy no tena fiadanana ho antsika. “Ny fiadanako no homeko anareo”, hoy Izy (Jn 14). Ka i Masina Maria izany no feno fiadanana voalohany noho i Jesoa tao aminy.

Ny andro anio ihany koa dia andro Maneran-tany ho an’ny Fiadanana. Koa raha te-hanana ny fiadanana àry isika dia raiso i Jesoa-Kristy ao amin’ny Eokaristia ary mankanesa ao amin’i Masina Maria fa izy no manoro antsika ny làlana mitondra mankany amin’ny fiadanana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...