10 desambra 2024 — Talata, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

Fanoharana maneho ny endrik’Andriamanitra tompon’andraikitra no aroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika anio. Asaina isika haka tahaka an’Andriamanitra tsy mahalala hakiviana sy harerahana amin’ny fitadiavana ireo ondry very sy nania. Asaina hijery akaiky ireo madinika indrindra, mijaly indrindra, ireo mpioko sy tia manaraka ny làlana tsy alehan’ny besinimaro, fa te hanandrakandrana e!

Manasa antsika hahita hafaliana lalina manoloana ny fiverenan’ireo mpiray Fiangonana amintsika, na ny iray trano amintsika, na koa havantsika amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ny fiaraha-monina ihany koa ity fanoharana ity. Lazainy fa faly aoka izany ity mpiandry ondry rehefa nahita ny ondriny, nahita ny fiveranany. Noho izany, toe-tsaina roa no angatahana hiainantsika eto: mitady ny very ary mifaly rehefa mahita azy; faly rehefa mahita azy tafaverina amin’ny namany, ao amin’ny fianakaviantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...