Talata 14 aprily 2020 — Talata amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

0 : 00

Nijanona sy nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria. Fihetsika mety mahazo antsika ihany koa izany. Mijanona satria tsy afa-mihetsika, tapi-dalan-kaleha, tsy afa-mandroso intsony, very fanantenana, kivy. Mijanona fa tsy afa mandeha, vizana, sns. Fa mitony kosa rehefa malahelo be, marary, bedy, tezitra, ilaozan’ny olon-tiana, misy maty ; torak’izany koa rehefa anatin’ny olana saro-bahana, na fahotana lehibe mampanalavitra Azy Tompo ; fa misy koa mitomany rehefa faly. Toy izany no nahazo an’i Maria teto : nijanona teo ivelan’ny fasana izy, nitomany fa saraka Azy Tompo. Tsarovy mandrakariva fa tsy miala mihitsy Izy Tompo fa isika no miha manalavitra Azy, arakaraky ny hadisoantsika. Eo Izy, manolo-tanana, manontany antsika fa isika no tsy mahalala Azy, takon’ny hadalantsika ny Endriny, saron’ny fahotantsika ny Tavany ka toa difotra Izy. Mila manala sarona isika, mibebaka, tsy mbola tara fa Paka ny andro. Aoka tsy hisy hahasaraka antsika amin’Izy Tompo. Aza omena hirika i Satana fa rehefa atosika tsy ho eo anivontsika Andriamanitra dia misosoka avy hatrany haka toerana ny ratsy, ka ho voa mafy isika amin’izany.

Tiana ho zaraina amintsika koa ny herim-po nananan’i Maria tsy nahita ny Tompo : tsy hoe tsy nahita Azy izy dia nijanona fotsiny teo fa nitady hevitra, nanao izay hahitana Azy, na dia nampijabaka azy aza izany, ka na efa i Jesoa aza no niresaka taminy, dia heveriny ho mpiandry saha foana. Ho antsika, manao ahoana ny herim-pontsika eo ampitadiavana Azy Tompo ? Taon-jezika an-kady mantsy izany ka aina no fetra, fa rehefa hifanatrika mivantana aminy isika any ankoatra, amin’izay vao tsy hitady intsony fa efa mahita Azy. Tsy moramora akory ny mitady ny Tompo fa misy ny sakantsakana ombieny ombieny ; tsy sakana natao hampijanona, na sanatria hampihemotra anefa ireny fa natao kosa hanampy antsika hisaina sy handinika tsara mba hahafahana miroso hatrany. Koa aza ny sakana no atao olana fa mijere vaha olana ihoarana azy. Paka ny andro manampy antsika amin’izany ny tenin’Andriamanitra aroso ho dinihina sy iainantsika amin’izao.

Ambonin’izany, rehefa mifankahazo am-po, mifanakaiky, dia misy teny na fihetsika ifanaovana sy ifankafantarana ka na samy lavitra tsy mifankahita aza, rehefa manao an’izany tonga dia fantatra fa izy izay, eny, na rehefa mihaona sy mifankahita aza dia izay fotsiny no atao dia ampy, tafita ny hafatra satria efa lasa fomba amam-panao ilay izy. Nantsoin’i Jesoa tamin’ny anarany i Maria, vao nahalala fa ny Mpampianatra, ny Tompo io. Asa isika na efa tonga amin’izany amin’ny fifandraisantsika amin’Izy Tompo na tsia, satria noho ny Batemintsika, efa nataony ho sakaiza isika fa tsy mpanompo intsony, ambonin’izany aza nataony rantsambatany isika, nataony tenany, ka manao ahoana re ny fifandraisantsika aminy ? efa nitsangan-ko velona Izy, fa isika sakaizany, rantsambatany, tenany, efa niara-nitsangana taminy sa mbola tavela any am-pasana ? Na mbola tsy nandalo zoma masina akory ! Aza misy anie izany ! Paka ny andro, aoka isika hanao toa an’i Maria ka hitory amin’ny manodidina antsika fa efa nahita ny Tompo aho, nahita ny Tompo ianao, nahita ny Tompo isika : ampitampitao izany, ambarambarao, ahelezo ! Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...