5 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Niverina tany amin’izay naniraka Azy izy roa amby fitopolo mirahalahy nirahina ka nihoatra izay notakiana tamin’izy ireo ny zava-bitany. Hebo lahy ery izy ireo tamin’izany ka nilaza fa “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.” Nahitsin’i Jesoa izany, nataony hoe: “Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio”. Tandremo fa mety hanodoka ny fahombiazana ka aoka tsy hitompo teny fantatra fa noho isika no nampahomby izay natao, ary raha tsy isika tsy mahomby izany. Mazava io nambaran’i Jesoa io. Rariny sy hitsiny raha faly izy ireo, indrindra moa nahomby tamin’izay nanirahina saingy aoka tsy ho hafaliana diso lalana noho ny fahombiazan’ny tena fotsiny fa ny anarana voasoratra any an-danitra, dia aza avela ho voakosoka intsony izany anarana izany. Aoka hifaly amin’ny tsy hita maso fa tsy izay hita satria mandalo ihany ny hita. Fa ilaina kosa aloha ny manao tatitra amin’izay naniraka: mampahafantatra azy ny fandehan’ny asa natao sy ny fizotrany fa tena adidy izany.
Tohiny: “Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: ‘Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa”. Efa nandray ny Fanahy fanaganan-janaka isika tamin’ny Batemy, nandray ny fanomezany fito tamin’ny sakramentan’ny Fankaherezana ka aoka ho entanin’ny Fanahy Masina ny fiainantsika manontolo, aoka hameno ny fontsika amin’izany ny fisaorana, toy ny nataon’i Jesoa eto. Aoka tsy hipingapinga hangataka fa malaina ny hisaotra. Faly koa i Jesoa eto ka velom-pisaorana ny Rainy, nentanin’ny Fanahy Masina. Izany hoe: hita miharihary eto ny asan’ny Trinite Masina. Koa azo lazaina fa asan’Andriamanitra Trinite Masina ny iraka ataontsika. Meteza anefa isika ho toy ny zaza madinika hanambarana ny tsiambaratelony. Tsy tamin’ny mpanora-dalana na Farisianina, izay mihevi-tena ho mahay sy hendry, manaraka ambokony ny lalan’i Moizy, no nahazo izany tsiambaratelon’Andriamanitra izany fa tamin’ireto mpianatra voafidin’i Jesoa, izay toy ny zaza madinika. Izany ny sitrapon’Andriamanitra. Koa aoka isika hikatsaka mandrakariva izany eo amin’ny fiainantsika manontolo. Matetika mantsy imatimatesana ny sitrapontsika fa tsy ny Azy Andriamanitra, misy aza moa terentsika hanaraka ny sitrapontsika Andriamanitra kanefa tsy mety izany. Vavaka fanaontsika amin’ny Rainay ny hoe “Ho tanteraka anie ny sitraponao”, ka ho toa amin’ny fiainantsika tokoa izany.