22 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Manambara fanindroany ny fomba hijaliany i Jesoa Kristy, sady manambara Izy no mampianatra ihany koa. Tsy azon’ireto mpianatra izany ary natahotra ny hanontany Azy ihany koa izy ireo. Zavatra mifanipaka aza no nandanian’izy ny dia, ady hevitra mahakasika hoe iza no voalohany amin’izy ireo. Toetra matetika asehon’ny mpianantra avokoa izany rehetra izany: tsy mahazo, tahotra ny hanontany, manao zavatra hafa mandritra ny fampianarana.

Mahagaga anefa fa tsy namerina ny fanavazana nataony teo aloha i Jesoa fa nampianatra an’ireo mpianany ny hevitra fonosin’ny hoe “voalohany” amin’ny maha-mpianany. Voalohany ireo vonona ary faly ny hanompo ny hafa; voalohany ireo izany miaina ny fanetren-tena. Ambaran’i Jesoa ankarihary eto fa ny fahefana ananan’ny voalohany dia asehony amin’ny alalan’ny toetsaim-panompoana mandrakariva toy ny nataony rehefa nanasa ny tongotry ny mpianany Izy ny alakamisy masina. Mibaribary ny fahambonian’ny voalohany, izany hoe ireo manana andraikitra ambony ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny firenena rehefa mitsinjo sy manompo am-pitiavana ireo madinika indrindra, ireo voailikiliky ny fiaraha-monina izy ireo. Izy ireo mantsy no ankizy madinika noraisin’i Jesoa, napetrany teo afovon’ny rehetra ary nofihininy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...