14 septambra 2024 — Ny nandratana ny Hazofijaliana — Fankalazana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)
Mankalaza ny nanandratana ny hazofijaliana ny Eglizy anio. Ny nananganan’i Moizy tamin’ny hazo ny bibilava varahina ka tsy nahafaty ny vahoaka Israely izay voakaitry ny menarana rehefa nahajery an’io bibilava varahina io, dia tandindon’ny Hazofijaliana: izay mijery am-pitiavana ny Hazofijalian’i Kristy dia hahita famonjena. “Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona.” Tahaka ilay bibilava nasandratr’i Moizy i Kristy, hasandratra eo amin’ny hazofijaliana. Hitondra ny fahotantsika ka ho tonga famantarana ny fahalementsika, ny fahafatesantsika, ny fanamelohana antsika. Fa ny fahafatesan’i Kristy kosa no hamongorana ny fahotantsika sy ny fahafatesana. Tsy hanameloka antsika Izy. Koa aoka isika hijery Azy amim-pinoana, tahaka ny vahoaka Israely tany an-tany efitra, mba handraisanantsika ny famonjeny.
Ny naneken’i Kristy hifantsika teo amin’ny Hazofijaliana dia mba ahafahany mitarika antsika hanaiky ny fijaliana ho fiombonana Aminy. I Kristy no famonjena sy fitsanganana ho velona. Ny Hazofijaliana no iorenan’ny fanantenana ho an’izao tontolo izao. Be voninahitra ny hazofijalian’i Kristy satria maneho ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy manam-petra ho antsika tsirairay avy. Kristy nifantsika teo amin’ny hazofijaliana dia nanolotra ny ainy ho antsika! Nanolotra ny fijaliany ho an’ny Ray Izy mba hamonjena antsika. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Ny fitiavan’Andriamanitra be voninahitra no ankalazaintsika amin’ny Hazofijaliana be voninahitr’i Kristy. Rehefa mahatsapa izany fitiavana izany isika dia tsy misalasala manokana fotoana hivavahana mba hisaorana ny Tompo noho ireo porofon’ny fitiavana rehetra ireo. Amin’ny alalan’ny fankasitrahana no ahatsapantsika fa tena tian’Andriamanitra tokoa isika. Miseho amin’ny zava-tsoa rehetra izay iainantsika sy raisintsika isan’andro izany: ny fitiavana ny havana sy ny namantsika, ny asa ahazoana ny hanin-kohanina, ny hakanton’ny zavaboary, ny fanatrehany izay mampahery amin’ny vavaka, ny sakramenta, ny Fiangonana sy ny Teniny.
Aoka koa isika hanokana fotoana hibanjinana ny hazofijaliana mba hamelombelona hatrany ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Irin’Andriamanitra ny hiombonantsika hasambarana. Te hamonjy antsika Izy, hitarika antsika ho amin’ny lala-mahitsy, fa tsy hanasazy na hanameloka antsika. Satria Andriamanitra naniraka ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, tsy hoe mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.