5 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Ry kristianina havana; ny fiantsoana ny Apostoly no ambaran’ny Evanjely amintsika anio. Voalohany, mitohy mampianatra i Jesoa; dia miditra ao an-tsambokelin’i Piera Izy na dia nisy sambo hafa teo. Hatrany amboalohany mihitsy dia efa miseho ny anjara toeran’i Piera sy i Jesoa mitoetra maharitra ao amin’ny Eglizy; singa fototra maha Eglizy ny Eglizy.

Manaraka izany, nasain’i Jesoa nandroso eny amin’ny lalina kokoa ireo mpianatra mba hahazo trondro kanefa efa niasa tsy nahomby nandritra ny alina. Nankato avy hatrany ny tenin’i Jesoa moa izy ireo ary nahomby. Rehefa isika tsy mahomby iny, rehefa isika toa resy mitady hijanona iny, amin’iny indrindra i Jesoa no tonga manoro ny hatao, miara-dalana sy mankahery. Izany no asan’ny vavaka: mampahomby. Mahomby sy mahery izay manana an’i Jesoa eo amin’ny fiainany ka izay tsy vitan’olombelona dia efan’Andriamanitra.

Vao mainka nanamafy ny finoan’i Piera manokana ny fahitana ny trondro azo eto satria efa nahita an’i Jesoa nandroaka demony sy nanasitrana aretina maro izy, ary ny rafozambaviny mihitsy aza no vao avy nositranin’i Jesoa. Dia nandohalika sy niankohoka i Piera niaiky ny tsy fahamendrehany sy nankalaza ny voninahitra amam-pahefan’ny Tompo. Izay no tanjon’ny Evanjely dia ny hiankohofan’ny lohalika rehetra sy ieken’ny lela rehetra fa i Jesoa no Kristy Tompo. Eo kosa i Jesoa no manomboka mamaritra ny antso sy iraka hanarato olona, izany hoe hanala ny olona hiala ao amin’ny lalina mangitsoka fa hitondra azy amin’ny fahazavan’ny fiainana. Naneho finoana lalina i Piera sy ireo namany ka natoky nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka an’i Jesoa. Mendrika hanaovana sorona ny zavatra rehetra ny fanjakan’Andriamanitra. Amen.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...