13 aogositra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...