2 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Santatry ny fanjakan’ny lanitra torian’i Jesoa tokoa àry ny Fiangonana. Ka eto amin’ity Evanjely ity no hisantaran’i Jesoa ny fanombohan’ny asan’ny Fiangonana. Nampianatra Izy, satria izany no asan’ny Fiangonana. Tsy ny fampianarana tsara nataony anefa no noraisin’ny olona mba hibebahany, fa nitsikera Azy indray no nataony. Izay ilay hoe “mpaminany tsy masina an-taniny”. Hoy i Masindahy François de Sales manoloana izany: “Na tsara sy mahate-haniry toa inona aza ny hazavana, mety hahajemby an’izay naharitra ela tao anatin’ny haizina”. Izany hoe raha hazavaina izany dia izao: na tsara tahaka ny inona aza ny ataonao, ny olona efa za-dratsy, ratsy foana ny fijeriny anao. Dia jereo fa izany mihitsy no nahazo an’i Jesoa eto.

Tsara ny fampianarany, tsikeraina ny momba Azy manontolo: ny fianarana nataony: “Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?”; ny ray aman-dreniny: “Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra ve io?” Ary eto tonga dia ny asany no teneniny fa tsy ny anaran’i Josefa, satria asan’ny olona mahantra, asa tsy dia mahazatra ny olona laotra, sady tsy asan’Andriamanitra no tsy asan’ny Mesia ny mandrafitra teo amin’ny Jody. Milaza izany fa olona tsy dia misy lanjany laotra i Jesoa nefa toa manam-pahendrena. Hatramin’ny havany aza nitsikerana Azy avokoa. Ratsy fijery an’i Jesoa ny olona na dia tsara aza no nataony; satria efa jamban’ny haratsiana ny fon’ny olona tamin’izany.

Tahaka izany koa no mety mahazo antsika sy ataon’ny olona antsika indraindray: mety atao, voatsikera isika; tsy mety atao, vao mainka mahazo vava ratsy. Tsy tokony hahakivy anefa izany, fa izany indrindra no hidirana ao anatin’ny fanjakan’ny lanitra, dia ny Fiangonana izany, mba hiovana sy hanitsiana ny tsy mety fanao. Ny tsikera misy foana, eny fa dia eo anivon’ny mpiara-mivavaka aminao aza. Ka aoka tsy hampihontsona anao ny tsikera. Eo am-piandohan’ny dianao mankany amin’Andriamanitra, hevero ho zava-tsoa ny fianjadian’ireny fanilikilihana sy endrikendrika mahazo anao ireny. Hanamafy anao ireny amin’ny fanoherana ny fieboeboana sy ny fiavonavonana izay manimba ny fitiavam-bavaka.

Koa aza mihemotra eo anatrehan’ireny àry; fa Andriamanitra tsy miasa ao amin’ny olona tsy manam-pinoana sy mihemotra amin’ny finoana. Izay no nahatonga an’i Jesoa tsy nanao fahagagana betsaka teo noho ny tsy finoan’ireo mpiara-monina taminy. Ataovy ao an-tsaina foana àry ity oha-pitenenana ity mba hankahery antsika: “Na manan-tandroka na tsia, na fotsy na mainty ny ondry, dia harapaky ny ambodia foana raha azony atao”. Koa aoka isika hijoro hatrany amin’ny finoana fa tsy hiova.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...