1 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

Mitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa antsika momba ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra eto amin’ity Evanjelin’i Masindahy Matio ity. “Tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina izy”, hoy i Jesoa. Inona no hevitra ambaran’izany? Dia izao: manambara ny Fiangonana ny harato. Ny Fiangonana izany no ampitahaina amin’ny harato eto amin’ity Evanjely ity, araka ny fampianaran’i Masindahy Grégoire Lehibe. Ka ny fanjakan’ny lanitra ambaran’i Jesoa eto izany dia miresaka momba ny Fiangonana; satria ny Fiangonana no santatry ny fanjakan’ny lanitra dieny ety an-tany. Mijoro àry ny Fiangonana eo anivon’ity fiainana an-tany feno haratsiana isan-karazany ity; haratsiana izay ambaran’ny “ranomasina”, endriky ny ratsy. Avy eo ny asany dia “manangona izao karazan-kazandrano rehetra izao”: izany hoe miantso ny olona rehetra ny Fiangonana; dia isika rehetra izao izany, mba hibebaka amin’ny fahotana na ny hendry na ny adala, na ny manan-karena na ny mahantra, na ny matanjaka na ny osa.

Miantso ny olona rehetra hiditra ao aminy ny Fiangonana ary tsy manavaka na tsara na ratsy na ny masina na ny mpanota. Ka rehefa feno izy, izany hoe rehefa feno ny fotoana, ny fahataperan’izao tontolo izao izany, dia misintona antsika hiala tao amin’ny ratsy ny Fiangonana. Izay no ambarana amin’ny hoe “nosarihana ho eny amoron-drano”. Satria tonga ny fotoana ka mba tsy hijanonantsika ela ao anatin’ny haratsian’izao tontolo izao izay feno fijaliana mety hanimba antsika dia misintona antsika hiala tao ny Fiangonana ary mitondra antsika ho any amin’ny fanjakana maharitra mandrakizay, dia ny lanitra paradisa izany. Ka tonga amin’izay avy eo ny fitsàrana farany, izay hanavahan’ny Anjelin’Andriamanitra ny tsara sy ny ratsy. Izay no ambara amin’ny hoe “ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany”. Izany hoe rehefa voahavaka dia tsy afaka miova intsony, tsy manan-tsafidy intsony fa rehefa isan’ireo tsara ianao dia tsara, voavonjy mahazo ny lanitra; fa rehefa isan’ireo ratsy dia ratsy, very mandrakizay any amin’ny afobe.

Inona no lesona azo tsoahina amin’izany? Dia izao: mandinihà tsara ary mihevera tena, miovà dieny mbola ao anaty harato mba tsy ho isan’ireo hariana any ivelany ianao; fa rehefa very tsy misy hevitra intsony. Koa miovà àry dieny mbola ao am-piangonana ianao, fa tsy fantatsika na ny andro na ny ora hahataperan’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...