30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

Inona tokoa no hataon’Andriamanitra rehefa amin’ny farandro ? Aiza no hiafaran’ny asantsika tsirairay avy? Manazava izany indrindra i Jesoa eto amin’ity fanoharana momba ny ahi-dratsy ity. Ry havana! Rehefa dinihana ny voalazan’i Jesoa eto dia tsy misy afa-tsy fahalevonana mandrakizay no anjaran’ny ratsy fanahy (Mpts 5, 31). Izany hoe tsy manan-kiafarana ny mpanao ratsy. Raha toa ka fahavelomana mandrakizay kosa no valisoan’izay mpanao ny tsara, dia ny olo-marina izany. Satria izao: hoy i Jesoa eto: “ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hatsipy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify”. Izany hoe ny mpanao ratsy rehetra dia havarina any amin’ny afobe satria afobe no ilay atao hoe memy mirehitra eto. Izany rahateo no milaza amintsika fa misy ny afobe. Fa inona tokoa moa no hilazàna fa mpanao ratsy ny olona iray? Sao dia tsy fantatra ny atao ka indraindray efa mirona any amin’ny làlana tsy izy ny ataontsika? Dia hoy ny Soratra Masina: ny mpanao ratsy dia izay mandà sy tsy miraharaha ary manao tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra eo anoloany, voalaza izany ao amin’i Dn 3, 6 sy ao amin’i Mt 8, 12. Iza avy izy ireo? Dia “ny kanosa, ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany” Ap 21, 8. Ka ny mpanao ratsy izany dia izay mandà ny asan’Andriamanitra sy mamitaka olona. “Ny olo-marina kosa, hoy i Jesoa, dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy”. Izany hoe ny mpanao ny tsara dia ho velona mandrakizay any an-danitra paradisa. Satria hoy hatrany ny Soratra Masina: “Izay tia an’Andriamanitra kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy” Mpts 5, 31. Midika izany fa ny mpanao ny sitrapon’Andriamanitra kosa dia haharitra sy ho velona mandrakizay ao anatin’ny hasambarana ao amin’Andriamanitra. Manambara faharetana sy hafaliana mantsy ny masoandro. Iza avy izy ireo? Dia “ireo izay ho efa hendry”, hoy i Daniely mpaminany 12, 3, dia izay rehetra tsara fanahy sy tsy mivadika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Misy valisoa manokana ho an’izay rehetra mahafoy tena manampy ny sasany hamonjy tena, amin’ny teniny sy ny oha-pitondran-tena tsara omeny. Koa anjaranao àry ny safidy: ny fahasambarana sa ny fijaliana? Ny fahavelomana sa ny fahafatesana? Fa ireo no efa voalazan’i Jesoa Kristy amintsika anio.

Koa raha samy hisafidy ihany aleo manao ny marina. Fa tsy mbola nisy very mandeha tamin’ny lala-mahitsy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny mpanao ratsy tsy maintsy ho rava foana na ahoana na ahoana. “Aza sosotra na mialona an-dry zareo olon-dratsy àry, fa tsy manan-kiafarana ny manao ratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy” Oh 24, 19.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...