Alakamisy 02 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 8, 51-59 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

0 : 00

Ady hevitra mafana ny an’i Jesoa sy ny Jody eto. I Jesoa tsy mitsahatra mampianatra, iretsy kosa tsy mitsahatra ny manohitra ny fampianarany. Ny fampianarana voalohany entin’i Jesoa àry eto dia hoe : “raha misy mitandrina ny teniko dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy”. Te hiteny Izy hoe ny fiainana mandrakizay, dia natao ho an’ny olona mihaino sy manaraka ny Teniny. Tsy manery anefa Izy fa hoe “raha misy…”. Vokatr’izay fampianarana nataon’i Jesoa izay dia teraka ny fanakianana maro nataon’ireto olona manoloana Azy. Lazainy fa manana demony Izy, Abrahama sy ny mpaminany aza maty. Ary tamin’ny farany dia lazainy fa mbola tsy dimampolo taona akory Izy dia milaza fa nahita an’i Abrahama. Ny anotny dia satria raisin’ireo amin’ny fahazoana azy fotsiny ny tenin’i Jesoa. Ny niafarany aza moa eto dia lasa nivoaka ny Tempoly i Jesoa satria saika notorahan'ireo ny vato.

Ny fampianarana tiana hampitaina amintsika àry manoloana izay eto dia hoe : voalohany, ho an’ny olona manaraka sy mihaino ny Tenin’i Jesoa ny fiainana mandrakizay. Faharoa, rehefa misy zavatra tsy azo, indrindra mahakasika ny finoana, eny fa na dia eny amin’ny fiaraha-monina eny aza, dia aleo mangataka fanazavana fa tsy ny mahamaika dia ny hitora-bato, sao mantsy dia manameloka olona tsy tokony homeloka. Ary farany, aza malain-kino. Fa, rehefa tsy mino isika dia lasa i Jesoa ka fahasoavana tokony ho antsika, lasan’ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...