23 jona 2024 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
Tamin’izany andro izany,
dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”.
Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:
“Ry Mpampianatra ô!
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:
“Mangina, mitonia”.
Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”
Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”