22 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)

Ry havana; safidy fototra no ataon’i Jesoa ka na ny harena na Andriamanitra. Toe-javatra tamin’izany andro izany nakana ity fanoharana ity dia misy ireo andevo manompo olona roa samy sarotiny: tsy hitany izay asiany ny tenany satria samy mandrirotra azy ireto tompony. Saro-piaro amintsika Andriamanitra. Tiany ho azy irery manontolo isika. Safidiontsika Andriamanitra.

Aza manahy izay hohanina sy hotafiana, hoy i Jesoa. Tsy misy miteny mihitsy hoe andao tsy hiasa fa hivavaka fotsiny, andao hijanona handohalika eo anatrehan’ny Tabernakla dia aleo Andriamanitra no hiantoka izay hivelomana. Tsy maintsy miasa, tsy maintsy miatrika ny fiainana. Fa angatahana mba ho feno fitokisana an’Andriamanitra. Ny tsy mety sy ny mampalahelo dia ny miala tsiny fa sahirana dia tsy mivavaka, na koa sahirana amin’ny harem-be dia tsy misy toerana ho an’Andriamanitra intsony. Aoka ho tena zanaka matoky Ray mitsimbina; aoka ho zanaka matoky Zoky miahy. Omena ny toerana voalohany Andriamanitra. Araka ny fampianaran’i Masindahy Vincent de Paul: “ataovy ny asan’Andriamanitra dia hataon’Andriamanitra ny asanao”. Ny zava-boary hafa aza ahiany fatratra, mainka fa ny zanany tiany.

Sady modelim-bavaka no modelim-piainana ny vavaka nampianarin’ny Tompo: Andriamanitra no voalohany sy lehibe dia manaraka ho azy ny antsika olombelona. Hoy i Masimbavy Terezy avy Avila: “aza mitebiteby, aza matahotra; mahareta, izay manana an’Andriamanitra, manana ny zavatra rehetra”. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...