15 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 33-37)

Inona moa no ilàna fianianana raha toa ka miaina ny fitiavana, raha amin’ny samy olona dia midika ho tsy fifampitokisana amin’ny lafiny anankiray ny fianianana ka ho an’i Jesoa dia tsy azon’ny mpianany atao izany, ary ampianariny mba tsy hanao roa lela ny mpianatra fa tokony hanana valin-teny mazava, eny dia eny tsia dia tsia. Ankoatra izany tsy fifampitokisana izany dia mampiseho ihany koa toe-tsaina mino fa Andriamanitra mpamaly faty ny Andriamanitsika ka handringana ny mpandainga sy hamaly faty ny mpamitaka. Tsy mila tambiny ary tsy miandry valiny amin’izay mangataka fahasoavana aminy Andriamanitra, maimaim-poana no hanomezany ny fahasoavany rehetra, tian’i Jesoa mba hitoriany an’izany fitiavany izany ny teny aloaky ny vavantsika, ka ho teny tsy misy fitaka, teny mifanaraka amin’ny fiainana sy izay ao anatin’ny fo lalina.

Eo ambavan’ny adala no misy ny fony fa ao am-pon’ny hendry kosa no misy ny vavany hoy i Jesoa. Ny adala no miteny zavatra tsy voadinika, tsy midika izany fa hahay ny zavatra rehetra isika, ny valin-teny ilazana fa tsy mahalala izay avaly dia tokony ho araka ny hitsim-po kanefa kosa miampy ny fahavononana hikaroka manadrakariva ny tena marina, tsy midika koa izany fa izay heverina ho marina sy izay heverina ho fantatra dia holazaina, ny mpiantr’i Kristy dia mampiasa ny teny lazainy hanasoavana, izay nolazain’i Jesoa azy ireo tao amin’ny miafina no toriany eny an-tafon-trano fa tsy izao takoritsika sy fifosana manimba fiaraha-monina rehetra izao. Izay te hahita an’Andriamanitra dia miezaka ny manadio ny fony araka izany mba tsy ho voazarazara ka hanaraka ny toro-hevitr’i Masindahy Paoly hoe ario ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy fa mifampiratsambatana avokoa isika rehetra (Ef 4, 25), hanesotra ny faharatsiana rehetra, ny fihatsaram-belatsihy, ny fialonana araky ny hafatr’i Masindahy Piera.

Hanaiky ho tarihin’ny Fanahy fahamarinana anie isika ka tsy ho voafitak’ilay raiben’ny Lainga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...