14 jona 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)

Ambaran’i Jesoa mazava ny hafany mbomba ny fanambadiana dia ny fijangajangana sy ny fisintahana na ny fisarahana fa tsy araka an’Andriamanitra. Tamin’ny fanambarany io hafatra lehibe tany an-tendrombohitra io dia tsy nilaza fandraràna tsotra momba ny fijangajangana ihany izy fa nanambara zavatra maro mihoatra an’izany, nilaza izay zava-nisy tany amin’ny Testamenta Taloha aza mba hisavasavany hatrany ifotony ny fototry ny olana: ny fomba fijery sy ny sain-dratsy.

Mamporisika antsika i Jesoa mba hikolokolo ny fahadiovana anaty sy hanolo-tena tanteraka amin’ny fanambadiana izay tokana sy tsy azo sarahana, dia lehilahy iray sy vehivavy iray. Manasa antsika koa i Jesoa amin’ny fiainana madio sy tsy miovaova fa ho tokam-po tahaka ny siny ka tsy manam-po afa-tsy rano, na amin’ny eritreritsika na amin’ny ataontsika mba hamelona ny masontsika sy ny fontsika amin’ny zavatsoa mba hialàna amin’ny fakam-panahin’ny fijangajangana. Mampahatsiahy antsika koa ny maha zava-dehibe ny fitandroana ny fanambadiana fa tsy ny fisarahana.

Ampio izahay ry Jesoa, mba hanana fo madio hatrany amin’ny hiantsoanao anay ary ny fianakavianay anie ho fianakaviana tsy mivadika hatramin’ny farany amin’ny teny nomeny dia hifankatia sy hifanaja mandritra ny andro iainany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...