10 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)
Mitohy ny fampianaran’i Jesoa, ilaozany ny tany lemaka ka izay mpianatra vonona hanatona azy any an-tendrombohitra no afaka hihaino ny fampianarany. Tsy afaka ny handray izany ireo mbola mieritreritra ny hiaina araka ny fiheveran’izao tontolo izao ka tsy mihevitra afa tsy ny tombontsoany sy ny fahafinaretany ary ny voninahiny. Làlam-pahasambarana anefa no atoron’i Jesoa an’izay manaiky ny teniny, vonona handrera-tena hiakatra ny tendrombohitra, hanatona, hihaino azy. Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Raha io fahasambarana io ihany no dinihantsika dia ampy hahazaoana ny hafa rehetra.
Ny hasambarana hafa rehetra dia hasambarana omen’Andriamanitra antsika miaraka amin’ny fanjakany ka izay mandova ny fanjakany dia mandova ny zavatra rehetra, tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao anefa no atoron’ny Evanjely, ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, ny tontolo atoron’ny Evanjely kosa dia manao fety satria faly, satria zanaka, mpandova ny fiainana mandrakizay. Ny fety ho an’ny kristianina dia tsy fitadiavana hafaliana mandalo na famonoana eritreritra. Raha sanatria mantsy izay no mitranga dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny fety. Ny tsara vintana no sambatra eo amin’izao tontolo izao, ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa izay mahatahiry ny fahasambarana omeny, manaiky hiombom-piaianana aminy no antsoiny hoe sambatra.
Ahoana kosa nefa no hahasambatra ny mahantra, eo amin’izao tontolo izao dia ny vola no maha rangahy ka ny mpanankarena dia mampiasa ny volany mba hiavahany amin’ny hafa, mba hananana zavatra hampiavaka amin’ny sarambabe, ny an’Andriamanitra kosa zarainy amin’ny olon-drehetra ny fanjakany, tsy noho ny fahamendrehana na noho ny ezaka ataon’ny tsirairay fa maimaim-poana araka ny halebiazan’ny fahasoavany mba tsy misy hirehareha (Ef 2, 8-9). Ny mahantra ihany araka izany no afaka ho faly amin’ny fanomezana homena maimaim-poana ka hitovizan’ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Ny mpanakarena sy ny mpitady harena dia hiady varotra amin’ny denie iray mitovy raisin’ny mpiasa niditra vao maraina sy ny zara fa niasa (Mt 20, 13). Fa inona kosa ny fanjakan’Andriamanitra holovan’ny mahantra am-panahy, tsy inona fa ny fanomezany ny fanahiny, hahatonga ny olombelona rehetra ho mpiray lova, hiray aina amin’i Kristy zanany. Ny mahantra no afaka handray ny Fanahy ka tsy ho menatra ny ho mpirahalahy amin’ny olombelona rehetra, hijoro ho fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao. Mazava loatra araka izany fa tsy ny fahantrana no mapijaly ny olona, ambaran’i Lioka fa ao amin’io Fiangonana miaina ny firahalahiana io dia tsy misy mahantra ao amin’izy ireo (Asa 4, 34), fahantrana am-panahy hoy i Matio, izany hoe ny fahaizana mampiasa izay ananana mba ho fahasambaran’ny hafa ka hahatsiarovana fa tsy tompony isika fa mpiandry omby vola vita, tsy tompony fa mpamerin-doha.
Ny fanjaka’Andriamanitra hoy ihany i Masindahy Lioka dia tsy nisy nanao ny fananany ho azy fa niombonana avokoa ny zavatra rehetra (Asa4, 32).