30 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...