Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.

♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...

Raha vao mitsidika ny telovolana fahatelo dia efa ny fanadinana famaranana taom-pianarana sy ireo fanadinam-panjakana isan'anmbaratongany no mby ao an-tsaina. Mandritra ny taom-pianarana manontolo no hanomanana ny fanadinana famaranana, fa fanamafisana sy fanantitranterana no atao amin'ny famerenana ankapobeny.

Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...