Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. 

Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.

Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.

Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...