Nahoana no mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fiatraikan'ny finday na fahitalavitra amin'ny zaza madinika?. Manoloana ny fanatontoloana sy ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao dia maro ny ankizy mampiasa finday aloha loatra, sy matetika mijery fahitalavitra maharitra. Ny anton'izany dia noho ny fisarihan'ny namana sy noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Ny vokatr'izany dia tsy ampy ny fotoana hifandraisan'ny ankohonana, eo koa ny ara-pahasalaman'ny saina sy ny fiankinan-doha...
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fahasalamana dia fahatomombanana tsara ara-batana sy ara-panahy, ary tsy voateny amin'izany ny ara-tsaina. Ny aretina alzheimer dia ao anatin'ny fianakaviamben'ny "démence", ity farany dia fahavoazana tsikelikely eo amin'ny fahaizana mitadidy, mandray zavatra, mianatra, mampiasa, mametraka vina, manao paik'ady. Ny aretina alzheimer dia aretina mahatonga fahaverezana tsikelikelin'ny fahaizana eo amin'ny olombelona iray ka mihoatra ny 6 volana fa tsy tampoka ireo tranga voalaza ery aloha. Samihafa ny aretin'ny saina sy ny fanahy ; ny saina dia fitambaran'ireo tsirikevitra mahatonga ny olona hanana fahaizana ; ny fanahy koa dia herin'ny fiainana mampiseho ireo tsiri-kevitra hipoiran'ny fanahiana sy ny finoana...
Misedra fahasahiranana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Menabe. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra. Ny vokatra miha-mitotongana noho ny tsy fahampian'ny rano entina anondrahana, indrindra ho an'ny tanimbary...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco