29 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)
Mbola anatin’ny vanim-potoanan’ny Paka isika izao, izay hankalazantsika an’i Jesoa maty fa nitsangan-ko velona fototry ny finoantsika. Azo ambara fa Paka fitiavana izany. Miaina ny Paka izay miezaka miaina ny tena fitiavana. Ka lazain’i Jesoa mazava amin’ity Evanjely henontsika teo ity àry ny resa-pitiavana ranoray iainana ny Paka. Fitiavana mantsy Izy ary tsy misy afa-tsy fitiavana ao aminy ka zarainy sy iombonany amintsika koa izany fitiavana izany fa tsy notazoniny ho an’ny tenany fotsiny. Ny fitiavana mantsy toy ny afo ka raha zaraina miha mitombo fa tsy mampihena ny loharano niaviany. Koa arakaraka ny izarana azy no mampitombo azy. Fitiavana tsy mila tambiny, na domina tapany mandoa erany, na fitia mila ankisa ny azy na fitiavana kobonina ho Azy samirery fa misokatra ho an’ny hafa dia ho antsika izany. Tsy fitiavana tapany ka mora mikobana fa feno sy mihoatra aza ka mitobaka ho antsika ihany. Tsy fitiavana manao avo avaratra na omby mahia tsy lelafin’ny namany fa fitiavana tsy manavakavaka, sahaza ho an’ny rehetra, eny hatramin’ny fahavalo aza. Fitiavana tsy mamitaka na manodoka fa tena izy sady marina ka irariana ho an’ny rehetra. Tsy fitiavana politika ka ady seza no betsaka na koa tsy miseho raha tsy fifidianana fa efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Batemy noraisintsika. Hoy Izy: “izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.” Maneho fitiavana an’i Jesoa isika rehefa mitandrina ny didy ka tsy ampy ny mahalala ny didy fa ilaina ny miaina azy. Tanterahina izay lazainy raha tiana ny olona iray. Sady ny didin’i Jesoa tsy mavesatra fa voafintina amin’ny hoe: FITIAVANA. Hita eto koa ny fifandraisan’i Jesoa sy ny Rainy: ampidiriny amin’izany isika; isika izay olombelona be siasia, mora mivadibadika, tsy maharitra sy be hadalana kanefa tiany sy lalainy hatrany hitadiavany fomba hanavotany antsika, tsy tiany hisy ho very na iray aza; fitiavana re izany. Izay miaina ny fitiavana mantsy onenan’Andriamanitra. Raha tsorina dia hoe: lasa tranon’Andriamanitra isika olombelona mitandrina ny didim-pitiavana. Izy Jesoa mihitsy no milaza izany amintsika, araka ny Evanjely teo. Aiza indray no misy mihoatra izany! Raha olombelona samy olombelona aza tena mifankatia mahatsiaro sambatra; tsy mainka va tian’Andriamanitra! Efa tena fahalavorarina mihitsy. Izay tsy tia ihany no tsy mitandrina ny didiny fa miaina sy mivelona fankahalana, tsy mahita afa-tsy ny tenany na ny izay miray sosy aminy; hany ka feno fialonana ny fiainany, tsy mahita tsara mihitsy amin’ny hafa sy ny manodidina azy fa heveriny ho fahavalony avokoa izy ireny ka tiany ho potehina sy ravana daholo. Zava-doza izany ka mila ialana haingana, mila mibebaka izay tratran’izany.
Soa fa efa nomeny ny Fanahiny Masina mba hanampy antsika hiaina sy hitandrina ny teniny ka hampianatra antsika ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra nolazainy tamin’ny mpianany fahiny. Asan’io Fanahy Masina io ny ataon’ny Eglizy ankehitriny. Koa italahoy Izy hitoetra amintsika hahazoantsika mihaino ny bitsika ataony amintsika.