27 marsa 2024 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

Ny Evanjely androany ry kristianina havana, dia mampahatsiahy antsika ny “fivadihan’i Jodasy”. Manasongadina koa ny Evanjely ny fomba nanondroan’i Jesoa ilay mpianany hamadika Azy: “Izay naira-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy”. Tsy iza akory izany fa i Jodasy. Hoy koa izy mba nanontany toy ireo namany: “Raby, moa izaho va izany?” Voalazanao hoy i Jesoa. I Jodasy ilay voalazan’ny Jesoa mialoha fa hamadika Azy, dia mifampiresaka amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana hanolotra an’i Jesoa ho faty.

Ao anatin’ny sakafo izay niarahany tamin’ny mpianany i Jesoa dia milaza amin’ireo mpianany ny fahafatesana tsy maintsy ho diaviny. Fahafatesana izay nandraisan’ny anankiray tamin’ireo nofidiny anjara ny fahatanterahany: “Ny anakiray aminareo dia hamadika”. Niteraka alahelo tamin’ireo mpianany. Ary samy nametra-panontanina avokoa ireo hoe: “Moa izaho va izany Tompo?”. Nalahelo ny iraika ambin’ny folo lahy, fa i Jodasy izay efa fantany mialoha fa hamadika azy kosa dia tsy nisy fangorahana kely akory. Mahaiza mimbajina amin’ireo iharan-javatra sarotra fa aza manamafy fo, satria izany no marika fa mpiray tampo tokoa isika. Na dia fantany àry fa haningotra ny ainy ity mpianany dia tsy noroahiny izy fa niaraka nisakafo taminy hatrany. Mariky ny fiombonana sy ny fitiavana ny sakafo. Midika izany fa naneho fitiavana an’i Jodasy hatrany i Jesoa, dia ilay fitiavana tsy niova toy ilay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Nitady ny fomba rehetra i Jesoa mba hahazoany ity mpianany, mba ho famonjena azy. Tsy manilika ny mpanonta Andriamanitra fa maharitra hatrany ary manantena fibebahana hahazoan’izy ireny famonjena. Saingy indrisy! Difotry ny fitiavam-bola ka tsy nahatsapa intsony izay fitiavan’Andriamanitra izay. “Omenareo ohatrinona aho dia atolotro anareo Izy?”

Mpianatra voafidin’i Jesoa i Jodasy, toy ireo apôstôly hafa, fa raha ny fihetsika asehony amin’ity mpampianany dia tsy fantany mazava izay antony niantsoana Azy. Miseho ho manana fahefana ny amin’i Jesoa ka manapa-kevitra hivarotra azy hoy toy ny entam-barotra, zavatra azo sandaina vola. Niray tsikombakomba tamin’ireo fatrampanenjika azy ka niray tetika amin’ny hahafatesany. Nentanin’ny fitiavam-bola ka namadika ity nampetra-pitokiana taminy, tamin’ny alalan’ny vola telopolo farantsa. Mpianatra tsy marina ary manampin-tsofina satria tsy nisy fiantraikany taminy akory ny fananaran’i Jesoa hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo fa ny anankiray ho halany ary ny ray ho tompoiny” (Mt 6, 24). Nivadika i Jodasy, nifidy ny vola telopolo izay sandan’ny mpanompo iray, na dia teo aza ilay Andriamanitra afaka manome azy ny zavatra rehetra; lasa nanompo andriamanitra tsy marina mitondra azy amin’ny fahaverezana mandrakizay. Midika izany fa nataony tsinontsinona ary nankahala an’i Jesoa satria hoy koa i Jesoa hoe: “Izay misy ny harenareo no fononareo”. Toetra mampiharihary ny tsy fisiana na ny tsy fahampian’ny fitiavana tao anatiny. Rehefa tsy ampy fitiavana an’i Kristy isika dia manao ny zavatry ny tany ho andriamanitra hivavaha sy ho tompoina, ary atosik’ireny hanao zavatra tsy voahevitra, hamono ny tsy manan-tsiny, hanivaiva ny mahantra ary hanakona ny marina tsy hipoitra. Raha tokony ho fitaovana hanasoavana, lasa andriamanitra tompoin’izao tontolo izao ankehitry, ary manamaizina ny fiainan’ny zanak’olombelona satria manimba ny foto-pisain’ny tsirairay ary manimba ny fifandraisana eo amin’ny samy olombelona sy ny fiaraha-monina.

Androany i Jesoa dia maneo amitsinka ny misterin’ny antsom-pitiavany. Tsy mivadika Andriamanitra rehefa miantso antsika. Fitiavana mikendry ny famonjena ho an’ny tsirairay. Nefa kosa manaja ny safidy izy vokatry ny fahafahana ao anaty efa nomeny antsika tamin’ny nahariana antsika. Tsy tia hisaraka amintsika Andriamanitra, fa isika no mandao Azy noho ny safidim-pontsika ihany. Izay mihataka amin’Andriamanitra noho io sitrapo io ihany dia tsy mikatsaka afa-tsy ny zavatra ratsy, izay lalana midina mamarina azy ireny faingana any amin’ny fahaverezana.

Ampio izahay ry Jesoa mba ho ao aminao mandrakariva no hamaritra ny fahafahanay, ka hifanaraka amin’ny sitraponao ny safidinay isan’andro, mba ho voavonjy izahay.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...