25 marsa 2024 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)

Ry kristianina havana, miara-dia isika amin’izao Herinandro Masina izao, mizotra hiaraka isika amin’ny fiomonana amin’ny fankalazana ny Paka. Ny Evanjely androany dia miresaka indrindra ilay atao hoe “fanosorana tao Betania”. Ao amin’io vohitra io i Jesoa, enina andro mialoha ny Paka, enina andro izay mampahatsiahy antsika ny naharin’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Fahariana, vokatry ny fitiavana sy nokendren’Andriamanitra hibanjinantsika izany; fahariana izay havaozin’Andriamanitra indray amin’nyy alalan’ny fitsanganan’i Kristy Zanany izay mitondra fiainam-baovao sy tontolo vaovao eo amin’ny taranak’olombelona.

Niditra tao an-tranon’ny olona tena mifanakaiky aminy Izy, i Lazara ilay natsangany ho velona, i Maria sy i Marta anabaviny. I Masindahy Joany no miteny amintsika, midika izany fa ny fanosorana menaka manitra tao Betania dia entiny hilazana ny fiafaran’ny iraka nataony tety an-tany. Izany hoe fanambarana ny fijaliany sy ny fahafatesana eo amin’ny Hazofijaliana. Ary ny fisian’i Lazara natsangany ho velona kosa entin’ny mpanoratra ihany koa ilazana ny fitsanganan’i Kristy ho velona; ny fandreseny ny fahafatesana sy fampanantenana ho antsika ny fiainana mandrakizay. Midika izany fa araka ny Evanjelin’i Masindahy Joany, ny fanosorana tao Betania dia mampitodika antsika amin’ny Fijalian’i Jesoa.

Nanomana sakafo ny mpianakavy ho fandraisana an’i Jesoa. Toy ny mahazatra, i Marta nisahirana amin’ny fikarakarana, nandany hery sy naneho ny fahaiza-manaony mba ho mendrika sy ho sahaza ity Zanak’Andriamanitra ny sakafo atolotra Azy. Etsy ankilany, i Maria rahavaviny, izay efa nahalala mialoha fa i Jesoa no Mesia, dia nahafoy diloiloy manitra izay sarobidy satria sady lafo vidy no tsara kalitao. Nahay nanaja sy nametraka ny fiamboniana maha Andriamanitra an’i Jesoa izy ireo. Mampandinika antsika izany, ary mampirisika antsika handray fanapahan-kevitra amin’ny fihetsika, ny teny sy ny atao rehefa mihaona amin’Andriamanitra. Mila maontina isika rehefa eo anoloan’Andriamanitra ho fanajana ny ho fiamboniany sy ny fahamasinany.

Nisahirana sy nahafoy izy mirahavavy satria natosiky ny fitiavana. Mampianatra antsika i Jesoa amin’ny fihetsik’i Marta sy i Maria fa toe-pontsika takiany amintsika eo amin’ny fanompona Azy dia ny fitiavana. Nanosotra diloiloy manitra an’i Jesoa i Maria ho fanehoam-pitiavana Azy. Marina fa natokany ho an’i Jesoa irery izay fanosarana izay, fa ny hanitry ny diloilo kosa nahenika ny trano manontolo. Fanosorana izay tandindon’ny fijaliany sy ny fahafatesana, entina hanehoana amintsika fa ny fahafatesan’i Kristy no hipoiran’ny hanitra tokana eo amin’ny olombelona, izay manintona antsika hitambatra ho iray eo amin’ny loharano nipoirany, dia i Jesoa ihany. Tsy inona akory izany fa ny fitiavana. Hatsaram-panahy tsy misy fetra ny fitiavana mahenika sy miantefa amin’ny isam-batanolona, toy ny hanitry ny diloilo izay nahosotr’i Maria tamin’i Jesoa. Io no irin’Andriamanitra ho toetra ao anaty mampifandray Azy sy ny olombelona, ary entina hanefana ny iraka maha kristianana. Hoy indrindra i Masindahy Paoly hoe: “Izay rehetra atao, dia ataovy amin’ny fo tokoa toy ny amin’ny Tompo fa tsy amin’olombelona” (Kol 3, 17).

Efa nandray ny Fahahy fitiavana isika tamin’ny Batemy, ka na inona na inona endrika fanompoana ataontsika ao amin’ny Eglizy, ny fiaraha-monina, ny fianakaviana sy tokantrano ary ny namana, dia ataovy amin’ny fo feno fitiavana. Miampy izany ihany koa dia fihetsika tsy manam-paharoa no nentin’i Maria naneho izany tamin’i Jesoa. Na dia teo aza ny sakana dia vitany izay nokasainy. Nolavin’i Jodasy ny fanehoam-pitiavana tiany atao amin’ny Tompony, “Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloloy manitra iny ka nomena ny mahatra”. Teny manaitra sy mambabo tokoa raha henoina fa tsy mifanaraka amin’ny tena ao anatin’ny fony satria i Jodasy dia olona voagejan’ny fitiavam-bola izay hitarika azy hatramin’ny famarotany an’i Jesoa afaka andro vitsy. Difotry ny fitiavan-tena ka tsy nanana fo misokatra ho an’Andriamanitra sy ny hafa. Ny fitiavan-tena, toetra ratsy mamotika ny olombelona, mampitoetra azy sy mapitombo ny faharatsian’ny fiaraha-monina, ny fialonana, ny fifandrafiana, ny fiariharihan’ny elanelana eo amin’ny mahantra sy ny mpanankarena. I Masindahy àry dia sahy milaza fa: “Ny tsy fahampianan’ny fitiavana eo amin’izao tontolo izao no tsy mahafoana ny fahantrana”. Raha mbola tsy foana ny fitiavan-tena dia tsy maintsy ny haizina sy ny faharatsiana no manjaka. Manana adidy isika kristianina hanohitra izany, haneho isan’andro eo amin’ny fiainantsika ny fitiavana mba hitondra fahazavana eo amin’izao tontolo izao ka hisy vokany eo amin’ny tenantsika sy ny hafa ny fitokisan’i Jesoa antsika hoe: “Ianareo mpianatro no fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5, 14).

Eo anatrehan’izany fitiavan-tenan’i Jodasy dia hoy i Jesoa : “Avelao izy hanao fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy”, nanana finoana velona i Maria ka nankatoavin’i Jesoa ny fihetsiny, finoana izay nampisokatra mialoha ny masony hahalala fa ilay Mesia niraiketan’ny fony dia tsy maintsy hizotra amin’ny fahafatesana. Miariary amintsika ny mistery miafin’Andriamanitra rehefa tena miezaka isika mifankatia Aminy. Ataovy izay sitraky ny fony. Ny fepetra amin’izany dia isika miankohoka eo amin’ny tongony, toy ny nataon’i Maria, nihaino an’i Jesoa (Lk 10, 42); ka ny ataontsika mba ahafahana mihaino ny sitrapony hahalalana izay tiany atao, dia milozoka amin’ny fandinihina ny Soratra Masina, mitandrina ny didiny ary manaraka izay atoron’ny feon’ny fieritreretana.

Nofafan’i Maria tamin’ny volon-dohany ny diloiloy nahosony tamin’ny tongotr’i Jesoa, fihetsika mifanohitra amin’ny kolontsaina Jody izany. Kanefa nataony tsy am-pisalasalana: nanana fahasahina izy hihoatra ny fombafomba ety ivelany, nandresy ny tahotra izay mety ho vokatr’izany satria nodoran’ny fitiavana an’i Jesoa. Miampy izany ihany koa io nataon’i Maria nihondrika, niankohoka teo amin’i Jesoa. Ireo fihetsika rehetra nataon’i Maria ireo dia maneho fanetren-tena tanteraka. Nankatoavin’i Jesoa ny nataon’i Maria satria nataony am-pitiavana sy am-panetren-tena. Indraindray isika miezaka sy milofo fa amin’ireny zavatra atao nefa misy olona mitsanagana mandrakariva hanohitra sy hanakiana izay vitantsika, sahala amin’ny nataon’i Jodasy tamin’i Maria. Tsy natao hahakivy ireny, olon’ny finona isika ary hery ho antsika ny tenin’i Jesoa hoe: “Izay nihatra taminareo dia efa nihatra tamiko”. Lavorary izay nataony amin’ny maha Andriamanitra azy, nefa tsy ny rehetra no nanaiky ny teniny sy ny nataony, mainka fa isika olombelona, misy sedra fa tsy natao hampihemotra antsika ireny. Ny ataovy ho fitsipika mifehy antsika dia ny hoe rehefa resy lahatra isika fa niasa tamim-pitiavana sy fanetren-tena, dia minoa fa hankatoavian’Andriamanitra ihany koa ny fikelezantsika aina isan’andro.

Ampio izahay ry Jesoa, mba hahatakatra ny misterinao. Omeo fitiavana sy fanetren-tena izahay ho entina manompo anao sy ny namanay! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...