Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja; ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Anao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany."