Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?" Dia hoy Izy namaly azy ireo: "Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’ Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona." Fa hoy ireo taminy: "Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" Dia hoy Izy taminy: "Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa." Hoy ny mpianany taminy: "Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady." Ary hoy Izy taminy: "Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon’ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...