Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?" Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase". Ary hoy izy ireo taminy: "Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny". Fa hoy ireo taminy: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny". Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra". Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany". Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...