Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: "Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?" Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: "Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany." Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...