Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy: "Inona izato resahinareo ety an-dalana, no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?" Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: "Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?" Fa hoy Izy tamin’ireo: "Zavatra inona moa izany?" Dia hoy ireo: "Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.
Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy". Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?" Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa fa notanan’izy ireo nataony hoe: "Mitoera re aty aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro".
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: "Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika, fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!" Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: "Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy". Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.